Vao tsy ela izay no nampahafantarana ny zotra sinaodaly. Mivavaka isika mba ho fotoana lehibe iray hifampihainoan'ny tsirairay izy io. Tsy vokatry ny paik'ady na programa na fandaharan'asa mantsy ny fiombonana fa miorina amin'ny fifampihainoana eo amin'ny samy mpiray tampo. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Talata 21 jona 2022 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 6. 12-14

Ny "apôstôlàn'ny fihainoana" no asa saro-pady indrindra amin'ny asa pastôraly. MIhaino aloha vao miteny, araka izay anentanan'i Jakôba apôstôly hoe : "Aoka ny tsirairay hazoto mihaino, fa tsy ho maika hiteny". Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alatsinainy 20 jona 2022 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 1-5

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...