Fa nahoana ary no miatrika fahasarotana ny fihainoana? Ny diplômatin'ny fiketrahana masina anankiray, Kardinaly Casaroli, dia niresaka momba ny " martirin'ny faharetana" ilaina amin'ny fihainoana sy ny hohenoina amin'ny fifanarahana amin'ny olona tena sarotra iresahana mba hahazoana ny tsara araka izay tratra ao anatin'ny famerana ny fahafahana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alarobia 15 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18
Ny tena marina dia matetika isika no tsy mifampiresaka ao anatin'ny fifanakalozan-kevitra. Andrasantsika fotsiny ny hahataperan'ny fandraisam-pitenenan'ny hafa hampidirantsika ny hevitsika. Amin'ny tranga toy izany, araka ny voalazan'ny filôzôfa Abraham Kaplan hoe : ny ady hevitra dia lasa resaka roa, olona roa miresaka zavatra roa amin'ny feo roa. Ny fihainoana no singa ilaina voalohany amin'ny fifampiresahana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Talata 14 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco