Fahefana nomen'Andriamanitra ireo mandray ny tso-dranony ny fanohizana ny asa fahariana ny aina. Na dia mafy aza ny mety ho diavin'ny olona eto amin'ity tany ity dia ataony izay fomba rehetra hitandrovana ny aina. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Sabotsy 28 mey 2022 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 23b-28
Andriamanitra no tompon'ny Aina. Jen 2,7 : Vovo-tany no nanaovan'ny Tompo Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon'aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona. Job 27,3 : raha mbola manana fofon'aina ihany koa aho, ka mbola eo am-bavoriko ny fofon'ain'Andriamanitra dia tsy hisy tsy marina hotononin'ny molotro sy tsy hanonin-dainga ny lelako.... Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Zoma 27 febroary 2022 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan"i Masindahy Joany 16, 20-23a
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco