Miainga amin'ny didy fahaefatra "manajà ny ray aman-dreninao" ny maha olom-pirenena vanona. Ny ankohonana maro mitambatra ihany no lasa firenena, takiana ny hanomezana fitiavana sy fanajàna ireo ray aman-dreny sy ireo zoky. Samy manana ny adidiny ny tsirairay mba hisiany fifanajàna satria izay no taratry ny maha olom-pirenena vanona. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alakamisy 23 jona 2022 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ny Tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21-29
Loha-hevitra mafonja noresahan'ny Papa François ny mikasika ny fihainona. Ny olona rehetra dia manana faniriana ho hainoana hatrany. Ny olombelona ankehitriny dia milomano ao anatin'ny fitaovam-pifandraisana maro sy mivoatra. Ireo rehetra miasa amin'ny tontolon'ny serasera no tokony hahay mihaino kokoa satria ireo no mihaino sy mitatitra ny mahazo ny mpiara-belona. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alarobia 22 jona 2022 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 15-20
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco