Tsy hisalasalana fa ny fitiavana ny mahantra dia tsy mifanindran-dalana amn'ny fitiavan-karena tafahoatra sy ny fitiavan-tena eo amin'ny fampiasana ny harena. Ny fitiavana ny mahantra no iray amin'ireo antony tsy maintsy hiasana mba hahafahana manao ny tsara amin'ny fanampiana ny sahirana. Tsy tokony ho sasatra isika manampy ny mahantra. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alahady 22 mey 2022 — Alahady fahenina fankalazana ny Paka — Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 23-29

Tsy mijanona amin'ny asa fiantrana fotsiny ny Papa fa miatrika ny maha-olona ny olona. Antitrnterin'ny Eglizy hatrany fa mifandray ny fitiava-namana sy ny rariny. Rehefa manome ny mahantra ny zavatra tena ilainy isika dia tsy hoe fanomezana manokana avy amintsika no omentsika azy fa azy ihany no averintsika aminy. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Sabotsy 21 mey 2022 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...