Alahady 19 desambra 2021 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-45
Tsy ny pretra diôseziana ihany no antsoina hoe pretra eto Madagasikara, fa maro ny fikambanana mampiofana pretra. Misy maha samihafa azy ny pretra relijiozy sy ny diôseziana ; ohatra ny relijiozy dia manaraka ny fiainam-pikambanana misy azy, manana haim-panahy ho azy manokana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Sabotsy 18 desambra 2021 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Solofon’i Jese, fisehoan’ny fivondronan’ny vahoaka, avia hamonjy anay, aza maharitra ela intsony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24
17 desambra — Ny Lazare resahana amin'ity andro anio ity dia ilay anadahin'i Marthe sy i Marie tao Béthanie, naman'i Jesoa ary natsangany ho velona. Niharitra ny fanenjehana noho ny finoana an'i Kristy izy io. Voalaza fa folo taona tao aorian'ny niakaran'i Jesoa dia natsipin'ny Jody tao anaty lakana tsy misy fivoy izy telo miandahy ireo, niaraka tamin'ny kristianina hafa.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco