Sabotsy 13 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 1-8
Teny manambara finoana, fahatokisana, fahavononana hiroso ny teny hoe : "eny", ka vonona hanakambana ny fiainana amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny tanora manao "eny" eo am-pirosoana amin'ny ho aviny. Sahia miroso, matokia ny hery omen'Andriamanitra. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Zoma 12 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fa amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 26-37
Ilaina ny fifandraisan'ny samy tanora amin'ny fanorenana ny ho avy. Misy tanora mihanona amin'ny fifandraisana amin'ny namana tokana ary misy ireo miaina ny fifandraisana "virtuelles" na anaty tambajotra sosialy. Ilaina ny fisokafana amin'ny hafa indrindra amin'ny mpiray finoana. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco