14 aprily — I Maxime dia martiry romana niaraka tamin'i Tiburce sy i Valérien. Préfét romana tamin'ny andro nanjakan'i Marc Aurèle izy. Raha izy nirahana hanapa-doha an'i Tiburce sy i Valérien, dia teo no nahatsapany ilay antson'Andriamanitra ka nibebaka izy.
Araka ny Konsily Vatikana-I dia rafitra lavorary miendrika an-tanan-tohatra ny Eglizy, ny Papa no filohany. Tsy mety diso izy raha mampianatra momba ny finoana sy ny fitsipi-pitondran-tena. Tsy rafitra fotsiny ny Eglizy fa misterim-piombonana ihany koa, miombona anatin'ny finoana, ny Sakramenta ary ny fitiavana, famantaram-pamonjena ho an'ny olona... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
14 avrily 2025 — Alatsinainy Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 1-11)
Ny fianakaviana iray dia tokony hiaina ny fitiavana sy ny fifanajana. Ny Didy fahaefatra amin'ny Didin'Andriamanitra, voalohany misy teny fampanantenana "Manajà ny ray aman-dreninao mba ho ela velona ianao". Ny Soatoavina Malagasy dia tsara amin'ny lafiny fifanajàna ka tokony hiainana hatrany. Ny fankatoavana ny ray aman-dreny dia zava-dehibe anefa ilaina ihany koa ny fifanankalozan-kevitra amin'ny fianakaviana manoloana fanapahan-kevitra, indrindra rehefa hiroso amin'ny fanambadiana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco