Misy ny fakam-panahy mikasika ny fanajàna an'i Masina Maria : Mampitandrina amin'ny zavatra hatao amin'ny fanajàna an'i Masina Maria ny Fiangonana, na tsy ampy na mihoatra ny tokony ho izy ; ohatra hoe manao saple miresaka amin'i Masina Maria kanefa zara raha miresaka moma an'i Masina Maria na mampiditra ny fanajàna ny Renin'Andriamanitra loatra amin-javatra rehetra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Ny hevitry ny Soratra Masina mikasika ny rahalahin'i Jesoa dia tsy miresaka mivantana hoe rahalahy, iray ra sy reny amin'i Jesoa. Ny voambolana "rahalahy" ao amin'ny Baiboly dia tsy voatery hilaza iray reny sy ray fa mety ho havana. Omena toerana manokana i Masina Maria noho ny fahasoavana manokana noraisiny tamin'Andriamanitra, anefa tsy mitovy haja amin'i Jesoa, Andriamanitra Trinitera... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Ny antony hanajana an'i Masina Maria dia noho ny iraka vaovao nomena azy, iraka ho renin'ny olombelona rehetra, tandidin'ireo mpianatra malalan'i Jesoa. Ho fanajana an'i Masina Maria dia manaova saple, manadra-bavaka, manaova anjelisy. Misy teny finoana efatra hanajana an'i Masina MAria : Renin'Andriamanitra, Virijiny Mandrakizay, tsy voakasiky ny fahotana, nampakarina any an-danitra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Tafakatra amin'ny lalao manasa-dalana ny Barean'i Madagasikara, rehefa naharesy an'i Kenya tamin'ny “tirs au but” 4 no ho 3. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta tao aorian'ny fanalavam-potoana... • Tsy azo ekena ny fahateren'ny fahafahana maneho hevitra sy ny fahalalahana ara-politika ao amin'ny tany mpikambana ao amin'ny SADC. Isan'ny nivoitra tamin'ny fehin-kevitry ny Forum an'ny firaisamonim-pirenena ao amin'ny SADC izany... • Miantso ny firaisan-kinan'ny mpanao gazety rehetra tsy hanavahana Andriamatoa James Ramarosaona, Filohan'ny Holafitra teo aloha, manoloana ny olana iainan'ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara tato ho ato...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco