Ny fihevitra diso novoizin'ny Refôrmasiôna ny hoe tamin'ny andron'ny jody tao amin'ny Testamenta Taloha, dia mpisorom-be sy ny levita no manolotra sorona sy mifona ho an'ny olona ary manao ny fanadiovana handraisan'ny olona famelan-keloka, FA ao amin'ny Eglizy nandalo fihavaozana dia ny kristianina dia mpisorona avokoa fa tsy ny mpitondra fivavahana ihany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Mihaino ny feon'Andriamanitra no maha-mpaminany ny vahoaka ; mila maka fotoana mihitsy mba hihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina anatin'ny vavaka, ny fandinihana ny Soratra Masina, ary amin'ireo zavatra mitranga eo amin'ny fiainana misy ankehitriny. Ny Batemy dia mahatonga antsika ho mpisorona, mpanjaka ary mpaminany toa an'i Kristy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
20 avrily 2025 — Alahady, Fitsanganan'ny Tompo — Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 1-9)
Alahady Paka : Nitsangan-ko velona tokoa i Jesoa. Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo. Nitsangan-ko velona Aho ka tafaraka aminao indray, fa nomba Ahy ny tananao. Mahatalanjona loatra ny fahendrenao. Aleloia. Ny isa telo, voalaza hoe telo andro nijanonan'i Jesoa tao amin'ny fasana dia milaza hafenoana sy fahalavorariana. I Lazara dia efatra andro no nilevina tao am-pasana, isa efatra manambara ny lafivarolon'ny tany, manambara izao tontolo izao. Ny fitiavana no manana ny teny farany, porofo io fitiavana nasehon'i Jesoa io...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco