06 febroary — Raha ny tena marina dia ireo martiry tao Japon no tsaroana amin'ity andro ity fa anisan'ny anarana misongadina indrindra amin'izany i Paul Miki. Pretra tao amin'ny Fikambanan'i Jesoa izy, nohenjehina ary novonoina teo amin'ny hazofijaliana. Ny 06 febroary 1597 izy no maty tany Japon.
Zava-dehibe ny fahatsorana sy fanetren-tena eo anoloan'Andriamanitra, izany no toe-panahy andrasana amintsika rehefa mivavaka. Tsy fisehosehoana velively ny antony handehanana any am-piangonana sy iaraha-mivavaka amin'ireo toeram-pivavahana fa ny hanompo an'Andriamanitra. Tsy mety ny miandranandrana sy mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra rehefa mivavaka... Katesizy momba ny fihakahan-kevitra, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
6 febroary 2025 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 6-13)
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco