Adidy lehibe napetrak'Andriamanitra amin'ny olombelona dia ny fiarovana sy ny fikolokoloana ary hitahiry ny aina. Ny tompon'andraikitra eo amin'ny firenena iray dia miaro ny aina amin'ny fomba sy fitaovana rehetra, tsy manitsaka ny fiveralan'ny rohy-voahary. Ny adidy faharoa dia ny asa ; adidy iombonana ny mitory ny rariny sy ny marina. Ny saina dia fitaovana entina miaro ny aina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Hoy Jesoa "Aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra ; fa ara-baiboly dia mitovy tanteraka ny hoe "masina" sy ny hoe "lavorary". Noho izany dia sady antso no faniriana lalina ao amin'Andriamanitra ny hahamasina antsika. Ny fananana ny fahamasinana no fototry ny famonjena... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Alahady 06 jolay 2025, Alahady faha-14, tsotra, mandavan-taona "D" : Matokia mitory ny Evanjely ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra! Isika Kristianina ankehitriny dia nofidian'i Jesoa sy nirahiny hanohy ny fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra. Noho ny finoana izay noraisintsika sy ezahantsika ivelomana no mpialoha lalana azy Jesoa sy ho mpanomana ny hatongavany amin'ireo mbola tsy mahalala azy, atomboka eo amin'ny manodidina antsika. Ny fitoriana amin'ny fo manontolo no tian'ny Tompo...
♦ Mbola misy ny fampihorohoroana atao amin'ny vahoaka any Antanambao-Mahatsara, Distrika Vatomandry ankehitriny, mikasika ny tsy fanekena vokam-pifidianana ben'ny tanàna ny volana desambra 2024... ♦ Mampiseho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fananan'ny fitondram-panjakàna vola, ny olana ara-tsosialy sy toe-karena eto Madagasikara ankehitriny hoy ireo solombavambahoaka mpanohitra... ♦ Mitaraina ireo Federasiôn'ny Mpanao Asa-tanana fa ahondrana any ivelany ireo akora fototra fanaovana asa-tanana tsara kalitao... ♦ Noraisin'i Papa Léon-XIV, tao amin'ny Lapa Apôstôlika tao Vatican omaly, ny Praiministra avy any Montenegro, Miloiko Spajich...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco