• Nandresy tamin'ny isa 2 no ho 0 ny Barean'i Madagasikara tamin'ny lalao fahatelo tamin'ny CHAN, nifanandrinany tamin'i Centre Afrique, ny hariva teo... • Hisy tokoa ny fandoavam-bola ho an'ireo mpampiasa ny lalam-baovao na ny “voie rapide”, mampitohy an'Andranotapahana sy Ivato, hoy ny Minisitry ny Asa Vaventy... • Miantsehatra amin'ny fampihenana ireo tsindry manodidina ireo faritra arovana any Boeni, Diana, ary Anosy, ny fandaharan'asa PADDI...

♦ Handray anjara amin'ny Fifaninana aty Afrika anio ny Ankoay sy ny Barea izay solontenan'i Madagasikara... ♦ Maro koa ireo Profesora tafitohana tamin'ny ampaham-panazavana nataon'ny mpitondra tenin'ny filohan'ny repoblika momba ny fari-pahaizan'ny Profesora Malagasy... ♦ Hisy fikorontanana ny fifamoivoizana eto Antananarivo mandritra ny fanantanterana ny fihaonana an-tampon'ny SADC andiany faha-45... ♦ Manao ranolava ny fanambarana sy ny ady sisika amin'ny hampiatoana ny ady any Gaza...

♦ Nitrangana vaky fasana tany amin'ny Fokontany Miadamanjaka, Distrika Soavainanriana-Itasy. Tafiditr'ireo mpamaky fasana ny 6 tamin'ireo fasana 7 nandalovany... ♦ Lahadinika etsy amin'ny CCI Ivato indray anio ny firosoana amin'ny fandravonana ireo hevi-dehibe nisongadina tamin'ny Filan-kevitry ny Ministra ao amin'ny SADC... ♦ Nanamafy i Elia Rabevahiny fa mitohy ny tolona na teo aza ny fanamelohan'ny Fitsaràna azy herintaona sazy mihantona... ♦ Miisa 21.000 ireo olona nosambrorin'ny pôlisy iraniana ary nofonjaina tao anatin'ny 12 andro...

Ny "ENY" nambaran'i Masina Maria manoloana ny hafatra nampitondrain'Andriamanitra ny Anjely dia tsy noterena fa hevitra voadinika tsara, ary ohatra ho an'ny olombelona rehetra izany fanekena izany. Raha misy zavatra tsy azo manoloana ny resaka na adidy hifampizarana dia tokony hanontany hatrany fa tsy hanaiky tsy ampy fiheverena sy tsy voadinika tsara... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...