Ny aretin'aty dia tsy fahatanterahan'ny asan'ny aty, vokatry ny fihinanana menaka betsaka loatra. Misy sehon'aretina maro raha vao tsy tomombana ny asan'ny aty : malain-komana, mandoa, misy hafanana, tazovony, havizanana, areti-kibo... Misy fanafody mahasitrana tandrify ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo raha vao voatily ara-potoana... Misy tsiranoka mandeha mialohan'ny fahatongavan'ny fadimbolan'ny vehivavy... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Mbola nametrahan'ireo Eveka namany ny fitokisany ka naveriny ho filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Manohy ny asa fanabeazana ny olom-pirenena amin'ny alalan'ny andrimaso ny FFKM na tsy ho isan'ireo hisahana ny fanaraha-maso mandritra ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny tanàna ny 11 desambra 2024, izao aza...
  • Trano 602 tafo no ravan'ny afo tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ivandrika, Distrika Farafangana, rava hatrany amin'ny 98% ny tanàna, maherin'ny 3.000 ireo tra-boina.

Ny vavaka maharitra, araka ny filazan'ireo Rain'ny Fiangonana dia matetika no raisina ho toy ny fanao ara-panahy tena fanatsarana ny fiainam-panahy, tena ilaina izay maneho ny finoana sy ny faharetana ary ny fahatokiana an'Andriamanitra. Ny vavaka maharitra dia mifototra amin'ny fahatokiana ny fahatsaran'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

13 nôvambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 11-19)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...