Manafaingana ny asa fanarenana ny ala hoko simba ao amin’ny faritr’i Sofia ny orinasa Bôndy amin’izao fotoana izao. Mafy ny tsindry nahazo ny ala honko isan’izany ny tao Ambilanibe, kaominina Ankerika. Mirefy 48 hektara ny ala honko simba hatramin’ny 80 isanjato, tapahan’ny olona nanaovana arina fandrehitra. 150 gony isan’andro mantsy ny harina fandrehitra vita amin’ny honko mamatsy an’Antsohihy. Mba hanonerana izany, manana toeram-pambolen-kazo hoko ao Malako fokontany Ambolobozo, kaominina Ambodirano ao amin’ny distrikan’Antsohihy ny orinasa...

• Mitsidika Distrika maro ao amin'ny Faritra Matsiatra Ambony ny Filohan'ny Repoblika nanomboka omaly. Tsy manadino ireo Distrika tsy nisy mpijery nandritra ny taona maro ny fanjakana, hoy izy, isan'izany i Vohibato... • Tokony mametra-pialana ireo tompon'andraikitra tsy mahatanteraka ny iraka nampanaovina azy ka miteraka fahoriam-bahoaka amin'izao fotoana izao. Teny nataon'ny Depiote Gasikara Fenosoa tany Betafo... • Misedra olana amin'ny tsy fahampian-drà ny Malagasy. Nivoitra tamin'ny fanadihadiana natao manerana ny nosy momba ny tsy fahampian'ny singa mpamelona natao tamin'ny herintaona na ny ENCM 2024 izany...

Singa iray mamotika ny fiaraha-monina ny fihanaky ny zava-mahadomelina sy ny fiankinan-doha aminy, indrindra ny tanora. Anisan’ny fototra mahatonga ny herisetra isan-kazany izy io. Azo atao tsara anefa ny miaina madio sy milamina lavitry ny fahazaran-dratsy, ary miaina tsy misy herisetra anjakan’ny fifanajana sy fifankatiavana ary fandriam-pahalemana. Izany dia mitaky fanabeazana ara-pitondran-tena matotra, fanohanana avy amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina, ary fanapahan-kevitra hentitra hanaraka lalan-tsaina madio... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

• Ifampitadiavan'ny mpanjifa ny toby mpaninjara solika mivarotra lasantsy sy gasoil eto an-drenivohitra. Misedra olana ny mpitatitra. Efa tokony nosorohana mialoha izao tranga izao, hoy ny PMH... • Fotoana hanatsarana ny lalana mifehy ny fifidianana eny anivon'ny kaominina izao, hoy ny KMF-CNOE, hisorohana ny olana mitranga tao aorian'ny fivoahan'ny voka-pifidianana Ben'ny Tanana... • Tanterahana eto an-drenivohitra ny fihaonam-ben'ny firaisamonim-pirenena andiany faharoa. Mpikambana maherin'ny 200 manerana ny nosy no manatrika izany hatramin'ny rahampitso...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...