Tamin'ny taona 1600 dia nisy zanaka vavin'ny mpanjaka tao Faradofay no nalain'ireo Frantsay ka noentiny tany La Réunion, niaraka tamin'ny olona 10isa, izay 7 lahy sy 3 vavy. Tamin'ny alalan'ny fanondranan'olona no nampifandray ny Nosy La Réunio sy Madagasikara voalohany tamin'ny alalan'ireo Frantsay, nahondrana ho andevo ny Malagasy tamin'izany andro izany ka ny fambolena Kafe no asa nampanaovina azy ireo. Maro ireo toerana ao amin'io nosy rahavavy io no mitondra anarana amin'ny teny malagasy : Mahafaty, Tampon(y). Ireo vanim-potoana ireo dia endrika niampitan'ny fomba amam-panao Malagasy any amin'ireo nosy rahavavy...

• Mbola tsy nisy fehin-kevitra ofisialy tapaka tamin'ny dinika faharoa momba ireo “Îles éparses”, tany Paris omaly. Nisy teboka vitsivitsy kosa nifaneken'i Frantsa sy i Madagasikara... • Mbola mandinika ny fampiharana ilay hetra 20 % amin'ny zana-bola alaina amin'ny fisamboram-bola any amin'ny banky, ny Governemanta hatramin'izao... • Nesorina tampoka tamin'ny toerany ny Ben'ny Tanana ao Bekopaka, Distrikan'Antsalova, Faritra Melaky, efa-bolana taty aoriana. Niakatra eto Antananarivo ny solontenan'ny fokonolona, tsy manaiky izao fanapahan-kevitra izao...

Maro ireo Sakramenta mamelona ny finoana tsy ho lefy ; miavaka indindra amin'izany ny Sakramentan'ny fanambadiana sy ny fifankatiavan'ny mpianakavy, ireo dia famantaram-pinoana lehibe ho an'ny Lahika. Mpanjakan'ny zava-boary ny olombelona. Ny fanompoana no lalana hanamasinan-tena ary ny fanetren-tena sy ny fandeferana no hatsaram-panahy entina mampanjaka an'i Kristy... Katesizy momba ny Lahika, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

• Andrasana izay fehin-kevitra tapaka tamin'ny dinika momba ny “Îles éparses” tany Paris androany. Tsy tokony ho fiaraha-mitantana no ho valiny fa famerenana ireo nosy ireo amin'i Madagasikara, hoy ny Pasitera Edouard Tarahame... • Nanazava ny momba ilay fakana TVA 20 % amin'ny zana-bola aloa amin'ny fisamboram-bola any amin'ny banky, ny Minisitry ny Fitantanam-bola androany... • Ny taranja Malagasy sy ny SVT no nisantaran'ireo mpiadina maherin'ny sivy alina sy roa hetsy ny fanadinam-panjakana BEPC androany...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...