18 febroary 2024 — Alahady Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 12-15)
Ny tsy fahampian-drà dia ny tsy fahampian'ny sela mena ao anatin'ny ra. Ny sela anatin'ny ra dia misy karazany telo : sela mena, sela fotsy, ary ny atao hoe "plaquette". Rehefa tsy ampy ny sela mena anatin'ny ra dia mitarika ny fidinan'ny tahan'ny "oxygène" ao anatin'ny ra sy ny taova manontolo, ary tsy araka ny tokony ho izy ihany koa ny famoahana ny "gaz carbonique". Fambara : hatsatra, reraka, fanina matetika, mangatsiaka ny ratsam-batana, marary andoha matetika... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Fitaovam-pandanjàna sy famaràna maromaro an'ireo mpivarotra ety Ivato no giazan'ny ministeran'ny varotra sy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Nahazoana vokatra tsara ny tetik'asa JM CT Jeunesse Malagasy Compétente au Travail, nandritra ny 6 taona niasany teto Madagasikara... ♦ Tokony hampitohy ireo tanan-dehibe hafa manitona mpizahan-tany ny zotram-piaramanidina hataon'ny Fly Emirates fa tsy Antananarivo sy Nosy-be ihany hoy ireo mpandalina eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany ♦ Voaheloky ny fitsarana tany New York handoa onitra mitentina 355 tapitrisa Dolara ny filoha Amerikana teo aloha Donald Trump... ♦ Niala tao amin'ny tanànan'i Av Divka faritra Atsinanan'i Ukraine ny tafika Ukraniana...
♦ Nazoto nisoratra anarana tao anaty lisitry ny mpifidy ny mponina any ambanivohitra, tamin'ny RAL na ny fanavaozana isan-taona ny lisim-pifidianana... ♦ Hatomboka any Faux Cap Distrikan'i Tsihombe ny sekolin'ny Jono, ary hitarina amin'ny Faritra hafa manerana ny Nosy... ♦ Teknisiana sy tantsaha mpampita miisa 20 minadahy no niofana momba ny fiompiana sy famokarana tantely nandritra ny telo andro... ♦ Nody mandry omaly tany amin'ny fonja nitazomana azy i Alexei Navalny, mpanohitra ny filoha Rosiana Vladmir Poutine... ♦ Teratany Israeliana roa no maty, enina hafa naratra vokatry ny tifitra nataon'ny Palestiniana iray tany Kiryat Malackhi, 30km miala ny tandavan'i Gaza...
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco