Boky Fahendrena (Fah. 12, 13. 16-19)
Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao ihany,
izay mitandrina ny zavatra rehetra,
mba hahenoana fa tsy manao fitsarà-mitanila Ianao.
Fa ny fahefanao dia fanorenan’ny fahamarinana:
ary noho Ianao Tompon’ny olona rehetra,
no itondrànao azy rehetra amim-pamindram-po.
Izay tsy mino ny fahefanao tsitoha no anehoanao ny herinao;
ary izay mahalala an’izany dia ataonao mangaihay amin’ny hasahiany.
Fehezin’ny sitra-ponao ny herinao,
ka mitsara amin-kamoram-po Ianao,
ary mitondra anay amim-pamindram-po lehibe;
satria eo aminao ny fahefana rehefa tianao.
Ny nanaovanao izany no nampianaranao ny vahoakanao,
fa tokony ho antra olona ny marina;
sy nampidiranao fanantenana mahafaly amin’ny zanakao,
fa raha manota izy, omenao andro hibebahany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 85, 5-6. 9-10. 15-16a
Tsara sy mpamela heloka Ianao, ry Tompo,
ho fitiavana an’izay miantso Anao!
Mampandria sofina amin’ny fivàvako,
ho tandrinao ny feoko mitaraina.
Ny firenena rehetra dia voaarinao:
hiankohoka eo anoloanao izy, ry Tompo.
Eny, hanome voninahitra Anao,
fa lehibe sy mahefa zava-mahagaga Ianao;
Ianao manko no Andriamanitra,
Ianao irery dia Ianao irery!
Ianao, ry Tompo Andriamanitra,
mpamindra fo sy mpiantra,
tsy mba malady vinitra Ianao,
be fitiavana sy fahamarinana.
Mba todiho maso aho,
ka iantrao, ry Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 26-27)
Ry kristianina havana,
ny Fanahy no manohana ny fahalementsika,
satria na izay mety angatahintsika aza tsy fantatsika,
fa ny Tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka
amin’ny fitarainana tsy hay lazaina;
ary Izy mikaroka ny fo no mahalala izay irìn’ny Fanahy,
sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olomasina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-43)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy
izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony,
ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Nony naniry ny vary ka niteraka,
dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe:‘Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao,
ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?’Fa hoy ny navaliny hoe:
‘Ny fahavaloko no nanao izany’.
Ka hoy ireo mpanompony taminy:
’Tianao va ny handehananay hiava azy?’
Hoy izy:
‘Tsia, fandrao ongotanareo mbamin’ny vary,
raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana;
fa raha tonga ny taom-pijinjana,
dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe:
Ongoty aloha ny ahi-dratsy,
dia fehezo amboarany mba hodorana,
ary angony ho any an-tsopitro ny vary’”.
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voan-tsinapy
izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.
Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy,
fa rehefa nitombo kosa,
dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo;
dia avy ny voro-manidina mipetraka ao amin’ny rantsany”.
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lalivay,
izay nalain’ny vehivavy anankiray
ka nataony tao amin’ny koban-dafarìna intelon’ny famarana
mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra”.
Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka,
ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana,
mba ho tanteraka ny tenin’ny Mpaminany manao hoe:
“Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho,
ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao”.
Tamin’izay, nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia mba nody,
ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:
“Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy”.
Ary namaly Izy ka nilaza taminy hoe:
“Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona;
ny tanimbary dia izao tontolo izao;
ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana;
ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy;
ny fahavalo izay namafy azy, dia ny devoly;
ny taom-pijinjana dia ny fahataperan’izao tontolo izao;
ary ny mpijinja dia ny Anjely.
Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo,
no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’olona,
ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra
hiala amin’ny Fanjakany,
ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra:
any no hisy fitomaniana sy fikotroha-nify.
Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro
any amin’ny Fanjakan’ny Rainy.
Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy
izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony,
ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Nony naniry ny vary ka niteraka,
dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe:‘Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao,
ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?’Fa hoy ny navaliny hoe:
‘Ny fahavaloko no nanao izany’.
Ka hoy ireo mpanompony taminy:
’Tianao va ny handehananay hiava azy?’
Hoy izy:
‘Tsia, fandrao ongotanareo mbamin’ny vary,
raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana;
fa raha tonga ny taom-pijinjana,
dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe:
Ongoty aloha ny ahi-dratsy,
dia fehezo amboarany mba hodorana,
ary angony ho any an-tsopitro ny vary’”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny fametsifetsena dia azo adika ihany koa hoe " famitahana, fampanantenana poakaty. Ny fametsifetsena dia hita eo amin'ny fiaraha-monina ary tonga amin'ny fahapotehan'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
Boky Eksaody (Eks. 12, 37-42)
Tamin’izany andro izany,
niala tao Ramsesa ny zanak’i Israely dia nankany Sokôta;
sahabo ho enina hetsy izy no olona nandeha tongotra afa-tsy ny ankizy.
Nisy koa olona be dia be, samihafa karazana, niara-niakatra taminy,
mbamin’ny andian’ondry aman’omby maro be.
Nandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta;
fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta
ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory.
Telopolo sy efajato taona no nitoeran’ny zanak’i Israely tany Ejipta;
ary rahefa afaka ny telopolo sy efajato taona, iny andro iny indrindra,
dia nivoaka niala tamin’ny tany Ejipta ny tafiky ny Tompo rehetra.
Alina niaretan-tory ho an’ny Tompo ilay alina namoahany azy tamin’ny tany Ejipta,
ka izany alina izany dia ho alina fiaretan-tory hankalazana ny Tompo,
ho an’ny zanak’i Israely rehetra isan-taranany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 135, 1 sy 23-24. 10-12. 13-15
Isaory ny Tompo fa tsara!
Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nahatsiaro antsika nijaly,
eny, mandrakizay ny hatsaram-pony,
sy nisarika antsika tamin’ny mpampahory!
Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nikapoka an’i Ejipta: dia ny Lahimatoany!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Sy namoaka an’i Israely teo aminy;
eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
tamin’ny tana-mahery sy sandry mihinjitra!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nanilaka roa ny riakan-jozoro;
eny, mandrakizay ny famindram-pony!
nampandalo an’i Israely teo anivony;
eny, mandrakizay ny famindram-pony!
nanipy an’i Faraôna sy ny tafiny tao!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin’ny andro sabata.
Ka lasa nivoaka ny Farisianina
ary niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy.
Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo.
Maro ny vahoaka nanaraka Azy,
ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny;
nefa noraràny izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy,
mba ho tanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany hoe:
Indro ny Mpanompoko izay nofidìko,
dia ilay malalako izay ankasitrahan’ny foko indrindra;
hapetrako ao aminy ny Fanahiko,
ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy.
Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy,
ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana;
tsy hanapaka ny volotara vaky izy,
na hamono ny lahin-jiro manetona,
ambarapamoakany ny rariny ho mpandresy;
ary ny Jentily hitoky amin’ny anarany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Eksaody (Eks. 11, 10 — 12, 14)
Tamin’izany andro izany,
dia nanao fahagagana maro teo anatrehan’i Faraôna i Môizy sy i Aarona,
fa nohamafisin’ny Tompo ny fon’i Faraôna,
ka tsy navelany hiala amin’ny taniny ny zanak’i Israely.
Dia izao no nolazain’ny Tompo tamin’i Môizy sy i Aarôna
tany amin’ny tany Ejipta:
“Ity volana ity no aoka ho fiandoham-bolana ho anareo,
dia ho voaloham-bolana amin’ny taona izany ho anareo.
Ary mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra, ataovy hoe:‘Amin’ny andro fahafolon’ity volana ity,
samia ianareo maka zanak’ondry iray avy isain-pianakaviana,
zanak’ondry iray isan-trano.
Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray,
dia hikambanany amin’izay namany akaiky azy indrindra izy
arakaraka ny isan’ny olona,
fa araka izay tokony hohanin’ny olona iray no hanisanareo ny olona
hihinana an’io zanak’ondry io.
Dia ho zanak’ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona;
ny halainareo dia zanak’ondry na zanak’osy.
Dia hotananareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’io volana io,
vao samy hamono azy ny fiangonan’i Israely rehetra
amin’ilay àty takariva iny.
Hangalàna ny rany hatentina amin’ny tolàna roa
sy ny tataom-baravaran’ny trano hihinanana azy;
ary hohanina amin’io alina io ihany ny nofony.
Voatsatsika amin’ny afo no hihinanana azy
miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy.
Tsy hisy haninareo manta na masa-drano aminy,
fa atsatsika amin’ny afo daholo mbamin’ny lohany, ny tongony, ny tsinainy.
Aza avela hisy tra-maraina, fa raha misy tsy lany dia dory.
Ary toy izao no hihinananareo azy:
ny andilana voasikina,
ny tongotra voaisy kapa;
ny tanana mitan-tehina,
ny fihinanana azy atao faingana.
Pakan’ny Tompo izany.’Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io alina io,
ka ny lahimatoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko,
hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby,
ary hisy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra:
fa Izaho no Tompo.
Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo;
ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo,
ka tsy hisy loza hahafaty anareo,
rahefa hamely ny tany Ejipta Aho.
Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany,
fa hankalazainareo amin’ny fety hiderana ny Tompo,
hankalazainareo amin’ny taranakareo mifandimby,
ho zava-nalahatra haharitra mandrakizay.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 115, 12-13. 15-16. 17-18
Koa inona no havaliko ny Tompo
fa maro dia maro ny soa nataony?
Halaiko ny kalisim-pamonjena,
hantsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.
Tsy zakan’ny Tompo tokoa anie ny hoe hahafaty izay mino Azy.
Ry Tompo ô, satria aho mpanomponao fa zanaka mpanompovavinao,
dia indro ny gadrako esorinao.
Hanatitra sorom-pisaorana aho
hiantsoako amy foko ny Anaranao,
efaiko ny voadiko taminao,
efaiko anatrehan’ny firenena.
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalàna aho, ry Tompo,
hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 1-8)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namaky ny tanimbary tamin’ny andro sabata,
ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana;
fa nony nahita izany ny Farisianina,
dia nilaza taminy hoe:
“Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin’ny andro sabata.”
Ary hoy Izy taminy:
“Moa tsy novakìnareo va izay nataon’i Davida
raha noana izy sy izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy,
ka nihinana ny mofo alahatra,
kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy,
afa-tsy ny mpisorona ihany?
Sa tsy novakìnareo ao amin’ny lalàna va
fa amin’ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly,
kanefa tsy meloka izy?
Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
Raha fantatrareo manko ny hevitry ny teny hoe:
Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona,
dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo;
satria tompon’ny sabata aza ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco