♦ Ankizy avy amin'ny Diôsezy 22, manodidina 15.000 no miatrika ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany fahatelo, tanterahana eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nanomboka omaly hatramin'ny alahady ho avy izao... ♦ Mangataka vavaka ho an'ny tanora maneran-tany ny Papa François, mandritra io volana aogositra ho avy io... ♦ "Araraoty hananganana ny ho avy ny hatanorana", hoy ihany Papa François amin'ny hafatra nomeny ireo tanora izay manatanteraka fihaonana hatramin'ny alahady izao, ao amin'ny "Sanctuaire de Medjugorje" any Bosnie-Herégovine...
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 1-3)
Izao no lazain’ny Tompo:
Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin’ny rano,
na dia ianareo tsy manam-bola aza;
avia, mividiàna vary ka mihinàna;
avia mividy tsy amim-bola na takalo,
hividy divay sy ronono.
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina;
sy misasatra amin’izay tsy mahavoky?
Koa mihainoa Ahy,
ary mihinàna izay tsara;
ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko;
mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo;
ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,
ary hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
{tan=Salamo fandinihana}
Sal. 144, 8-9. 15-16. 17-18
Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo,
ny asany rehetra angorahany.
Ny mason’ny voaary rehetra miandry Anao,
Ianao mpamahana azy ara-potoana:
ny tananao sokafanao,
dia voky zava-tsoa ny miaina rehetra.
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
tsara fo amin’ny asany rehetra;
ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy,
dia ireo izay miantso Azy marina.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 35. 37-39)
Ry kristianina havana,
iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?
Fahoriana va sa fahaterena,
sa fanenjehana sa fahanoanana,
sa tsy fananana inoninona sa loza sa sabatra?
Amin’izany rehetra izany anefa,
dia mihoatra noho ny mpandresy isika,
amin’ny alalan’Ilay tia antsika.
Satria matoky aho fa na fahafatesana na fiainana,
na Anjely na fanjakana,
na zavatra ankehitriny na zavatra ho avy,
na ireo fahefana na ny any ambony na ny any ambany,
na zava-boaary hafa,
dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra
izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika;
ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 13-21)
Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Jesoa ny nahafatesan’i Joany Batista,
dia niondrana an-tsambo kely Izy mba hitokana samy irery any an’efitra;
fa rehefa nahare izany ny vahoaka
dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa,
ka nandeha tongotra nanaraka Azy.
Rehefa niala tao an-tsambo Izy,
dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka;
ka nositraniny ny marary teo aminy.
Ary nony hariva ny andro,
dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:
“Tany efitra ity, ary efa hariva ny andro;
koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina any amin’ny vohitra”.
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Tsy tokony handeha izy; fa omeo hanina”.
Dia hoy ireo taminy:
“Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa aty aminay”.
Hoy Izy taminy:
“Ento aty amiko izany”.
Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka,
ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa,
dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano;
ary nony efa novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany,
ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.
Dia nihinana izy rehetra ka voky,
ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany,
ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.
Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana
afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nankatoavin'ny Papa François, ny fangatahan'i Mgr Fulgence Rabeony, hitsahatra amin'ny fitantanana pastôraly ny Arsidiôsezin'i Toliara noho ny fahafenoan'ny taona. Notendren'ny Ray masina handimby toerana azy i Mgr Gustavo Bombìn Espino, Evekan'i Maintirano... ♦ Nanainga omaly alina ireo Delegasôna Fahazavan'i Madagasikara, hiatrika ny JMJ hatao any Lisbonne, Portugal... ♦ Nigadona teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, ny sabotsy hariva lasa teo, i Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Boky Levitika (Lev. 25, 1. 8-17)
Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’i Môizy
tany an-tendrombohitra Sinaia nanao hoe:
“Hanisa taom-tsabata fito impito fito taona ianao:
fotoana mahalany sivy amby efapolo taona no faharetan’izany taona sabata fito izany.
Ny andro fahafolon’ny volana fahafito
dia tsofy ataovy manakoako ny feon’ny trômpetra;
amin’ny andron’ny Fanorenana dia tsofy hatraiza hatraiza eo amin’ny taninareo ny trômpetra.
Ary ankamasino ny taona fahadimampolo,
ataovy antso avo ny fahafahana ho an’ny mponina rehetra amin’ny tany.
Fa Jobily ho anareo izany, ka samia ianareo mody amin’ny taniny avy,
samia mody ao amin’ny fianakaviany avy.
Jobily ho anareo ny taona fahadimampolo:
tsy hamafy ianareo, tsy hijinja izay maniry ho azy amin’ny tany;
ary tsy hioty ny voaloboka tsy norantsanana,
fa Jobily izany, ka masina ho anareo.
Izay ho vokatry ny taninareo no hohaninareo.Amin’izany taona Jobily izany,
samia ianareo mody amin’ny taninareo avy.
Raha misy varotra ifanaovanareo amin’ny namanareo,
na misy zavatra vidinareo aminy,
dia aza misy mamono antoka ny rahalahiny.
Araka ny isan-taona isaina hatramin’ny Jobily lasa teo
no hividiananao amin’ny namanao,
ary araka ny isan’ny fotoam-pahavokarana no hivarotany aminao.
Araka ny hamaroan’ny taona mbola ho avy no hanondrotanao ny vidiny,
ary araka ny havitsian’ny taona no hampihenanao ny vidiny:
satria ny isan’ny vokatra isan-taom-pijinjana no ivarotany aminao.
Aza misy mamono antoka ny rahalahinareo ianareo,
fa matahora an’Andriamanitra,
satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 66, 2-3. 5. 7-8
Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy
ka ataony mamiratra eo amintsika ny Tavany.
Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao
ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!
Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony,
fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony!
Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra.
Andriamanitra mantsy Andriamanitsika: mitsimbina.
Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao,
ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)
Tamin’izany andro izany, ren’i Herôda tetrarka ny lazan’i Jesoa,
ka hoy izy tamin’ny mpanompony:
“I Joany Batista izay;
efa nitsangan-ko velona izy,
ka izany no ahavitany fahagagana maro.”
Fa i Herôda efa nampisambotra an’i Joany,
ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny.
Satria i Joany nilaza taminy hoe:
“Tsy mahazo manambady io ianao.”
Nitady hamono azy i Herôda saingy natahotra ny vahoaka,
satria nataon’ny olona fa mpaminany i Joany.
Ary tamin’ny andro nankalazana ny nahaterahan’i Herôda,
dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada,
ka nahafaly an’i Herôda.
Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona.
Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe:
“Omeo ahy eto amin’ny lovia ny lohan’i Joany Batista.”
Dia nalahelo ny mpanjaka,
kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy,
dia nasainy homena azy ihany izany;
ary naniraka nampanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina izy.
Dia nentina tamin’ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy,
ary nentiny tany amin-dreniny.
Nalain’ny mpianatr’i Joany kosa ny faty dia naleviny,
vao lasa izy nilaza izany tamin’i Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco