Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 23, 1-4. 19 ; 24, 1-8. 62-67)

Tia an-dRebekà tokoa i Isaaka ka nionona ny alahelony an-dreniny.

Ny andro niainan’i Sarà dia fito amby roapolo amby zato taona, izany no taona niainany.
Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia i Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana;
ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy.
Dia nitsangana i Abrahama niala teo anilan’ny maty,
ka niteny tamin’ny zanak’i Heta hoe:

“Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho,
ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo,
mba hisy hanalako ny fatin’ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy.”

Izay i Abrahama vao nandevina an’i Sarà vadiny, tao an-johin’i Makpelà,
tandrifin’i Mambre dia i Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana.
Efa zokiolona sy nandroso fahanterana i Abrahama
sady nosoavin’ny Tompo tamin’ny zavatra rehetra.
Ary hoy i Abrahama tamin’ny mpanompony,
ilay tranainy indrindra tao an-tranony, nikarakara ny fananany rehetra:

“Ataovy ato ambanin’ny feko ny tananao,
hampianianako anao amin’ny Anaran’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany
fa tsy haka vady ho an’ny zanako ao amin’ny zanakavavin’ny Kananeanina,
izay iraisako monina, ianao,
fa any amin’ny tanindrazako, any amin’ny tany niaviako
no halehanao haka vady ho an’i Isaaka zanako.”

Ary hoy ny navalin’ilay mpanompony:

“Angamba tsy hety hiaraka amiko hankaty amin’ity tany ity ny vehivavy;
ka ny zanakao ve no tokony hoentiko mankany amin’ny tany niavianao?”

Hoy i Abrahama taminy:

“Tandremo sao dia entinao mankany ny zanako.
Ny Tompo Andriamanitry ny lanitra izay naka ahy tao an-tranon’ny raiko,
sy tany amin’ny tany nahaterahako, izay niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe:
‘Homeko ny taranakao ity tany ity’,
dia Izy ihany koa no haniraka ny Anjeliny eo alohanao,
ka haka vady avy any ho an’ny zanako ianao.
Ary raha tsy mety hanaraka anao ny vehivavy
dia afaka amin’izao fianianana ampanaoviko izao ianao;
fa aza entina mankany ny zanako.”

Tamin’izany i Isaaka tonga avy any amin’ny fantsakan’i Kaï-Roy
ka nonina teo amin’ny tany Atsimo.
Indray hariva, raha ilay nivoaka mba hieritreritra tany an-tsaha iny izy,
ka nanopy ny masony, dia indreny misy rameva tamy.
I Rebekà koa nanopy ny masony ka nahatazana an’i Isaaka,
dia nitsambikina niala teny amin’ny rameva;
ary nanao tamin’ilay mpanompo hoe:

“Iza iry lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika iry?”

Dia hoy ilay mpanompo:

“Ny tompoko iny.”

Koa dia noraisin-dRebekà ny voaliny, dia nisaronany.
Nambaran’ity mpanompo tamin’i Isaaka avokoa ny zavatra rehetra nataony.
Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny,
sady nampakariny ho vady.
Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 105, 1-2. 3-4a. 4b-5

Derao ny Tompo fa tsara.

Derao ny Tompo fa tsara:
eny, mandrakizay ny hatsaram-pony.
Iza no hahalaza ny Asa maherin’ny Tompo?
Zovy no hahaventy ny fiderana Azy rehetra?

Sambatra izay mitandrina ny rariny,
sy manao ny hitsiny amin’ny fotoan-drehetra!
Tsarovy izahay, ry Tompo,
izay tia ny vahoakanao!

Vangio amin’ny famonjenao izahay:
te-hahita ny hasambaran’ny Voafidinao,
sy hifaly amin’ny fifalian’ny firenenao!
Eny, izahay te-hiravo miaraka amin’ny Lovanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo;
Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)

Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody; ary ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona.

Tamin’izany andro izany, tao Kafarnaôma,
nony niala teo amin’ilay malemy nositraniny i Jesoa
dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio,
nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy:

“Andeha hanaraka Ahy ianao.”

Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany.
Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana ity Mpampianatrareo
no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”

Fa hoy i Jesoa nandre izany:

“Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
Mandehana àry ianareo ka fantaro ny hevitr’izao teny izao:
Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona;
fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny fanambakàna dia miseho amin'ny endriny maro noho ny tsy fahalalana. Ny fanambakàna dia manimba ny rivotry ny fiaraha-monina, na eo amin'ny olon-droa na eo amin'ny fianakaviana na eo amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 22, 1-19)

Ny sorona nataon’i Abrahama Razambentsika.

Tamin’izany andro izany,
nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe:

“Ry Abrahama ô!”

Ary hoy izy:

“Inty aho.”

Dia hoy Andriamanitra:

“Ento ny zanakao, ilay lahitokanao, ilay tianao, dia i Isaaka,
ka mankanesa any amin’ny tany Môrià,
ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana
eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.”

Nifoha maraina koa i Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany,
naka roa lahy tamin’ny mpanompony hiaraka aminy, sy i Isaaka zanany,
ary namaky ny hazo hataina amin’ny sorona dorana,
dia niainga nankany amin’ny tany efa nolazain’Andriamanitra azy.

Nony tamin’ny andro fahatelo,
nanopy ny masony i Abrahama ka mbola lavitra ihany izy
dia nahatazana ilay toerana,
dia nilaza tamin’ireo mpanompony i Abrahama nanao hoe:

“Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo,
fa izahay sy ny zaza dia mikasa ho ery hivavaka,
vao hiverina eto aminareo indray.”

Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana,
ka natataony an’i Isaaka zanany,
ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany,
dia niara-nandeha izy mianaka.
Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy:

“Dada ô!”

Ka hoy ny navaliny:

“Inty aho, anaka.”

Dia hoy i Isaaka:

“Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto,
fa izay zanak’ondry atao sorona dorana kosa no aiza?”

Hoy ny navalin’i Abrahama:

“Hataon’Andriamanitra izay hahitana ny zanak’ondry
hatao sorona dorana, anaka.”

Dia niara-nandeha izy mianaka.

Nony tonga teo amin’ny toerana natoron’Andriamanitra azy izy,
dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely;
nalahany ny kitay hazo, ary nafatony i Isaaka zanany,
ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay.
Dia naninjitra ny tanany i Abrahama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany.
Tamin’izay niantso tany an-danitra ny Anjelin’ny Tompo nanao hoe:

“Ry Abrahama! ry Abrahama ô!”

Ka hoy ny navaliny:

“Inty aho.”

Dia hoy ny Anjely:

“Aza manainga ny tananao hamely ny zaza,
ary aza maninomaninona azy akory,
fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao,
sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao,
ilay lahitokanao ho Ahy.”

Ary nanopy maso i Abrahama ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony,
voasingotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony;
dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy,
ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.
Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran’io toerana io.
Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe:

“Ho hita ihany izany any an-tendrombohitry ny Tompo.”

Ary ny Anjelin’ny Tompo niantso an’i Abrahama fanindroany tany an-danitra,
ka nanao hoe:

“Efa nianiana tamin’ny teniko Aho, hoy ny Tompo,
fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao,
ilay lahitokanao, ho Ahy,
dia hanisy soa anao Aho,
hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra
sy ny fasika eny amoron-dranomasina,
ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
satria nanaiky ny teniko ianao.”

Dia niverina nankeny amin’ny mpanompony i Abrahama
ka niainga izy ireo niara-nandeha nankany Bersabea.
Ary nonina tao Bersabea i Abrahama.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 114, 1-2. 3-4. 5-6. 8-9

Koa hizotra eo anatrehan’ny Tompo aho, any amin’ny tanin’ny velona.

Izaho tia ny Tompo,
noho Izy mandre ny feoko mihanta:
itongilanany sofina aho
amin’ny andro iantsoako Azy!

Efa voagejan’ny rohin’ny fahafatesana aho,
efa niantontàn’ny haraton’ny Seoly,
tojo fahoriana sy ahiahy,
ka niantso ny Anaran’ny Tompo.

Ny Tompo antra sy marina;
ny Andriamanitray mahay mangoraka;
ny Tompo Mpiaro ny olon-tsotra:
osa aho ka novonjeny.

Eny, Ianao no manafaka
ny aiko amin’ny fahafatesana,
ny masoko amin’ny tomany,
ny tongotro amin’izay manafintohina!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo,
ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio ( Mt. 9, 1-8)


Nankalaza an’Andriamanitra ny vahoaka noho Izy nanome fahefana ny olona toy izany.

Tamin’izany andro izany,
niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa,
dia nita ka tonga tao an-tanànany.
Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy
nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy.
Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa,
dia hoy Izy tamin’ilay malemy:

“Matokia anaka,
fa voavela ny helokao.”

Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe:

“Miteny ratsy an’Andriamanitra ilay io.”

Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe:

“Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
Inona no moramora kokoa, ny manao hoe:
‘Voavela ny helokao’,
sa ny manao hoe:
‘Mitsangàna, ka mandehana?’
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona
manam-pahefana ety an-tany hamela heloka”,

dia hoy Izy tamin’ilay malemy:

“Mitsangàna, ento ny fandrianao,
ary modia any an-tranonao.”

Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony.
Nony nahita izany ny vahoaka,
dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra
noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hibahan-toerana amin'ny vaovao entina amintsika izao ny akon'ny fanamasinana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Hafatra nentin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, mahakasika ny fandaminana amin'ny fisaorana an'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona sy ny fandraisana ny Arseveka vaovao...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...