Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 11, 1-11)
Ry kristianina havana,
enga anie ka mba handefitra hadalana kely amiko ianareo!
Eny, mahay mandefitra ahy tokoa ianareo.
Manana fahasaropiaron’Andriamanitra ny aminareo aho,
satria natolotro ho fofombadin’ny lehilahy anankiray ianareo, dia i Kristy,
mba hanolorako anareo aminy toy ny virjiny madio.
Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin’i Kristy,
toy ny namitahan’ny bibilava an’i Eva tamin’ny hafetsen-dratsiny.
Fa raha ohatra ka ireo vahiny tonga ao aminareo no hitory Jesoa hafa noho izay notorinay,
na ianareo no handray Fanahy hafa noho izay noraisinareo,
na Evanjely hafa izay tsy noraisinareo,
dia ho rariny angaha ny handeferanareo aminy.
Fa angaha misy mahalatsa-danja ahy noho ireo Apôstôly ambony indrindra ireo?
Na tsy ampy fahaiza-mandahatra aza aho, dia ampy fahalalana tokoa,
araka ny nasehonay miharihary taminareo, tamin’ny zavatra rehetra.
Sa diso aho, fa nanetry ny tenako mba hanandratako anareo,
ka nitory maimaim-poana ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo?
Ny an’ny Eglizy sasany no nalaiko, fa nandray fanampiana taminy aho,
mba hoentiko miasa aty aminareo.
Nony nitoetra tany aminareo aho, na dia tsy nanana aza,
dia tsy mba namaky tratra olona, fa ny rahalahy avy any Masedônia no nanome izay nilaiko.
Notandremako mihitsy izay tsy hahavaky tratra anareo,
ary mbola hotandremako koa aza izany.
Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’i Kristy,
marina raha ho azon-javatra esorina amiko izany reharehako eran’i Akaïa manontolo izany.
Nahoana àry?
Noho ny tsy fitiavako anareo ve?
Andriamanitra no mahalala.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 110, 1-2. 3-4. 7-8
Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivorian’ny olo-marina sy am-piangonam-be!
Lehibe ny Asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.
Voninahitra sy fiamboniana ny vitan’ny Tompo;
maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.
Rariny sy hitsiny ny Asan’ny Tanany;
mahatoky avokoa ny lahany:
mafy orina mandrakizay alaovalo,
vita amim-pahamarinana sy hitsiny.
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily,
fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy.
Koa aza manahaka azy ianareo,
fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo,
fantatry ny Rainareo izay ilainareo.
Koa mivavaha toa izao ianareo:Rainay any an-danitra,
hohamasinina anie ny Anaranao,
ho tonga anie ny fanjakanao,
ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay;
avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay,
aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay,
fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo,
dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa;
fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo,
dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nankalazaina ny alahady 18 jona 2023 tao amin’ny Masera Notre-Dame du Cénacle - Amparibe, ny andro faha-57 maneran-tany ho an’ny fifandraisan'ny mpiara-belona... ♦ Kristianina miisa 1138 no niroso tamin'ny Sakramentan’ny Fankaherezena tao amin'ny EKAR Distrika Betafo... ♦ Niverina nitarika ny vavaka Angélus, ny Papa François, ny alahady 18 jona 2023...
♦ Tontosa tamin'ny talata teo ny fitsofan-drano an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay notendren'ny Papa François ho Eveka Mpanampy any amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Nankalaza ny faha-105 taona niorenan'ny sekoly ny tao amin'ny Lycée Masindahy Antoine Ankadifotsy, nandritra ny fankalazana ny fetin'ny olomasina mpiaro azy ireo, ny talata teo... ♦ Hotontosaina ny 27 hatramin'ny 29 jona, ho avy izao, ny fiofanana izay fanaon'izy ireo isan-taona, no sady hankalazana ny faha-10 taona nisiany, dia ilay antsoina hoe "Formation à la Spiritualité Ignacienne", na ny FSI...
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 9, 6-11)
Ry kristianina havana,
izay mamafy kely dia hijinja kely ary izay mamafy be dia hijinja be.
Samia manao araka izay efa nokasainy tao am-pony avy,
tsy amin’alahelo na an-tery,
fa ny manome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra.
Hain’Andriamanitra fenoina ny fahasoavana rehetra ianareo,
ka sady hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zava-drehetra ilainareo
no hanana amby ampy aza hoentinareo mitombo amin’ny asa soa isan-karazany
araka ny voasoratra hoe:
“Namafy tamin’ny fanomezam-be ny mahantra izy,
ka haharitra mandrakizay ny fahamarinany.”
Ilay manome ny mpamafy ny voa afafy sy ny hanin-ko haniny,
no hanome anareo koa ny voa afafy sy hampitombo azy,
ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo,
dia hanan-karena amin’ny zava-drehetra ianareo
sy hahafoy be amin-kitsim-po,
ka fisaorana an’Andriamanitra noho ny asanay no ho vokatr’izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 111, 1-2. 3-4. 9
Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahina.
Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina:
dia ireo izay mangoraka sy antra.
Malala-tanana izy,
manome ny mahantra;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay;
ny tandrony misandratra noho ny voninahitra.
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao,
ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6. 16-18)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tandremo sao hataonareo eo imason’ny olona
ny asa soa hataonareo mba hahitany azy;
fa raha izany,
dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.
Koa amin’izany raha manao fiantrana ianao,
dia aza mitsoka trômpetra eo alohanao
tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy ao amin’ny sinagôga sy eny an-dalam-be,
mba hankalazan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa raha manao fiantrana ianao,
aoka ny tananao havia tsy hahalala izay ataon’ny havanana,
mba hiafina ny fiantrana ataonao,
ary ny Rainao izay mahita ny miafina no hamaly soa anao.
Ary raha mivavaka ianareo,
aza mba manao tahaka ny mpihatsaravelatsihy,
izay tia ny mivavaka mitsangana ao amin’ny sinagôga sy eny an-joron-dalana,
mba hahitan’ny olona azy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa ianao kosa raha hivavaka,
dia midira ao amin’ny efitranonao,
ka rahefa voarindrinao ny varavarana,
dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina,
ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.
Ary raha mifady hanina ianareo,
dia aza manjombona endrika tahaka ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy,
izay mampisotisoty ny tavany mba hahitan’ny olona fa mifady izy.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany.
Fa ianao kosa raha mifady hanina,
dia hosory zava-manitra ny lohanao, ary sasao ny tavanao,
mba tsy ho ny olona no hahita anao hoe mifady hanina,
fa ny Rainao izay ao amin’ny mangingina;
ary ny Rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly soa anao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco