28 nôvambra — Teraka tao Monteprandone tao Marche d'Ancône ao Italie tamin'ny taona 1391 i Masindahy Jacques de la Marche. Rehefa nieritreritra ny hisafidy izay toe-piainana arahiny izy dia nihevitra ny hirotsaka ho chartreux, nefa noho ny fifandraisany tamin'ny fransiskanina dia nanapa-kevitra izy ny hiditra tao amin'ny fikambanan'ny fransiskanina.
27 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina tao Paris i Masindahy Séverin. Mpanirery izy io, ary rehefa nahita ireo mpitoka-monina mpibanjina sy mihiboka izy dia naniry ny mba ho tao izany koa, ka nihiboka tao amn'ny trano kely nanamorona ny reniranon'i Seine, nivavaka sy nandini-tena.
26 nôvambra — Teraka tao amin'ny diôsezin'i Brabant, Diest ao Belgique tamin'ny 13 marsa 1599 i Jean Berchmans. Nandalina ny fahalalana momba ny classiques tao Malines izy nanomboka ny taona 1612, tao amin'ny sekolin'ny zezoita.
♦ Manao antso avo amin'ny herivelona rehetra ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy Fiadanana, hampanjaka ny rariny sy ny fandriampahalemana ary ny fanajana ny zon'olombelona... ♦ Tsy fifanoherana ny fahasamaihafana fa kanto ho an'ny Eglizy, hoy i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'i Morondava... ♦ Fahatokiana sy fitiavana no hafatra nampitain'ny Papa François ho an'ireo mpandray anjara tamin'ny hetsika momba ny foto-pampianaran'ny Fiangonana momba ny fiaraha-monina sy ny sosialy tao Verone, Italie...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco