26 ôktôbra — Avy any antioche i Evariste, ary jody ny rainy. Tsy dia fantatra loatra ny fotoana nibebahany ho kristianina, sy ny hoe ahoana no nahatongavany tao Roma. Ny fantatra dia hoe pretra izy, ary nanohana ny mpino krisitianina tamin'ny oha-piainana sy ny fitiava-namana ary torolalana samihafa.

25 ôktôbra — Teraka tao Egypte i Chrysanthe. Sénateur romanina nantsoina hoe Polémius ny rainy, tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Numérien. Mbola kely i Chrysanthe dia efa niaraka tamin'ny rainy nitety an'i Roma tamin'izany asany izany ; ary tamin'izany no efa nahitan'ny olona ny faharanitan-tsain'i Chrysanthe.

♦ Natomboky ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny fitsidihana ny sampan-draharaha misahana ny fiainan'ny Eglizy maneran-tany, ny Viste ad limina, ny 24 ôktôbra 2022... ♦ Notanterahana tany amin'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ny fanakalazana ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny fampielezana ny finoana eto Madagasikara ny 22 sy ny 23 ôktôbra 2022... ♦ Nosokafan'ny Papa François tamin'ny fomba ôfisialy ny alahady 23 ôktôbra 2022 ny fisoratana anarana amin'ny fandraisana anjara amin'ny JMJ Lisbonne 2023...

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe: "Iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha no mba hilaza aminy hoe: ‘Metia faingana, ary mipetraha hihinana?’ Moa tsy izao aza no holazainy aminy: ‘Amboary ny sakafoko, ary misikina hampihinana ahy mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro, fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro ianao?’ Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy, satria nanao izay nasainy nataony io? Ataoko fa tsy izany. Koa tahaka izany koa ianareo: rahefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe: ‘Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.’"

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...