18 ôktôbra — Tamin'ny taonjato voalohany i Luc no niaina, Syrien izy ary teraka tao Antioche. Misy milaza fa mpanompo sampy i Luc, nefa ny tahirin-kevitra sasany milaza fa nanaraka ny fombam-pivavahana jody izy. Mpitsabo no asany, fa nana-talenta tamin'ny hoso-doko ihany koa.

♦ Pretra telo sy diakra iray no nohamasinina tao amin'ny Katedraly Masina Maria Vonjy Mahatoky tao amin'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy ny sabotsy 15 ôktôbra 2022... ♦ Notsofin-drano ny alahady 16 ôktôbra 2022 ny toerana hanorenana ny fiangonana vaovao ao Antanimalandy, Diosezin'i Mahajanga... ♦ Nohalavain'ny Papa François hatramin'ny ôktôbra 2024 ny Sinaodin'ny Eveka momba ny Eglizy miara-dia...

Tanterahana miaraka any Lusaka (Zambie) nanomboka androany alatsinainy 17 ôktôbra ary hifarana ny zoma 21 ôktôbra, ny fihaonan’ny Vaomieran’ny Fifandraisan'ny mpiara-belona sy ny Vaomieran’ny Fiofanana eo anivon’ny Fikambanana Salezian’i Don Bosco aty amin’ny Faritra Afrika sy Madagasikarara.

17 ôktôbra — Mpadimby an'i Masindahy Pierre tao aorian'i Évode tamin'ny fitantanana ny Fiangonana tany Antioche, tokony ho tamin'ny taona 70 tany ho any i Masindahy Ignace resahana izao. Raha hiverenana kely ny tantara dia nandositra nankany Antioche ireo kristianina tao Jerosalema, rehefa nafana ny fanenjehana tamin'izany fotoana izany.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...