Nankalazaina ny 27 jona 2021 ny taom-bolafotsin'ny Radio Don Bosco. Onjam-peo naorin'ny salezian'i Don Bosco tamin'ny taona 1996. Teny manentana mandritra ny fankalazana ny hoe : "Firotsahana sy hafaliana : mandehana mampianara ny firenen-drehetra" (Mt 28, 19).
Tsy tokony atao sakana ny elanelan-taona misy amin' ny mpivady. (09-06-2021)
Tamin’izany andro izany, nony efa tonga teny am-pita tamin’ny tanin’ny Geraseny i Jesoa, dia nisy lehilahy roa nidiran’ny demony, nivoaka avy tamin’ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany. Ary indreo izy niantso hoe: "Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra? Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao atý?" Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra Azy teny, ka nihanta tamin’i Jesoa ny demony nanao hoe: "Raha dia roahinao hiala eto àry izahay, mba alefaso amin’iretsy andian-kisoa iretsy." Ary hoy Izy taminy: "Mandehana." Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin’ny kisoa; niaraka tamin’izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano. Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin’ireo olona roa nidiran’ny demony. Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa, ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny.
Tamin’izany andro izany, nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy, dia nasainy hampitaina eny an-dafin-drano Izy. Ary nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona nilaza taminy hoe: "Mpampianatra ô, hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao." Ary hoy i Jesoa taminy: "Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana akany, fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany." Ary ny anankiray tamin’ny mpianany koa nilaza taminy hoe: "Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko"; fa hoy i Jesoa taminy: "Manaraha Ahy, fa avelao ny maty handevina ny maty ao aminy."
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco