Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe: "Indro Aho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra tahaka ny voromahailala. Mitandrema, fa hotorîn’ny olona amin’ny fitsarany ianareo; sy hokapohiny ao amin’ny sinagôgany; ary hoentiny eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny jentily. Fa raha hatolony ianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny, na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany; satria tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo no hiteny ao aminareo. Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin’ny ray aman-dreniny ka hamono azy; ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako: fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy. Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe: "Raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana. Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin’ny fehin-kibonareo, na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina. Ary amin’izay tanàna na vohitra hidiranareo, dia anontanio izay mendrika, hidiranareo ao, ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo. Ary raha vao miditra ao amin’ny trano ianareo, dia miarahabà hoe: "Ho amin’itý trano itý anie ny fiadanana"; ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano, dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo; fa raha tsy mendrika kosa izy, dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo. Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia mialà amin’izany trano izany, na amin’izany tanàna izany, ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo. Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma sy i Gômôra amin’ny andro fitsarana noho ny hatao amin’izany tanàna izany."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy: Ny voalohany dia i Simôna izay atao hoe i Piera, dia i Andre rahalahiny, i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, i Filipo sy i Bartelemy, i Tomà sy i Matio ilay poblikanina, i Jakôba zanak’i Alfe sy i Tade, i Simôna ilay Kananeanina, ary i Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy. Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay nirahin’i Jesoa rahefa nohafatrafarany hoe: "Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily, ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina, fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely. Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra."
Tamin’izany andro izany, indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa itý lehilahy anankiray sady moana no azon’ny demony. Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: "Tsy mbola nisy toa izany tamin’i Israely." Fa ny Farisianina kosa nanao hoe: "Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony." Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny."
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco