Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha mbola nampianatra tao an-tempoly dia niteny nanao hoe: "Ahoana no ilazan’ny mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak’i Davida? Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe: ‘Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe: mipetraha eo ankavanako Ianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’ Koa raha antsoin’i Davida ho Tompony Izy, ahoana no maha-zanany Azy?" Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.

Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny Sadoseanina izay mandà ny fitsanganan’ny maty ka nanontany Azy hoe: "Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan’i Môizy ho antsika: Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy. Ary nisy olona fito mirahalahy, ka nanam-bady aloha ny lahimatoa, dia maty momba. Dia nanam-bady an-dravehivavy indray ny faharoa, fa maty momba koa izy; toraka izany koa ny fahatelo. Ary samy nanam-bady azy izy fito mirahalahy, fa maty momba avokoa. Faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy. Koa amin’ny fitsanganan’ny maty, rahefa tafatsangana izy ireo, iza no ho vadin-dravehivavy, fa efa samy nanam-bady azy avokoa izy fito mirahalahy?" Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Moa tsy diso hevitra va ianareo noho ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny fahefan’Andriamanitra? Fa rahefa tafatsangana ny maty, dia tsy hisy mpampakatra sy ampakarina intsony, fa ho tahaka ny anjely any an-danitra izy. Ary raha ny amin’ny fitsanganan’ny maty, moa tsy mbola novakînareo va ao amin’ny Bokin’i Môizy, amin’ilay misy ny voaroy, izay nolazain’Andriamanitra taminy hoe: "Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, ary Andriamanitr’i Jakôba?" Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona. Koa diso lehibe loatra ianareo."

Tamin’izany andro izany, naniraka ny sasany tamin’ny Farisianina sy Herôdianina ireo mpanohitra an’i Jesoa mba hamandrika Azy amin’ny teniny, ka nony tonga ireo dia nanao taminy hoe: "Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina Ianao ka tsy mampaninona Anao ny olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona Ianao, fa mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina. Moa mety va sa tsia ny mandoa hetra ho an’i Sezara: handoa izahay sa tsy handoa?" Fa fantatr’i Jesoa ny fihatsarambelatsihiny, ka hoy Izy taminy: "Nahoana ianareo no maka fanahy Ahy? Itondray denie iray Aho hozahako." Dia nitondrany iray Izy ka hoy Izy taminy: "Sarin’iza, sy anaran’iza io?" — Hoy iretsy hoe: "An’i Sezara." Dia hoy i Jesoa taminy: "Aloavy ho an’i Sezara àry izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra." Dia nigagan’izy ireo Izy.

Tamin’izany andro izany, dia niainga i Maria ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta. Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: "Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy!" Ary hoy i Maria: "Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin’izao, dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho, satria efa nanao zavatra lehibe tamiko Ilay Mahefa. Ary masina ny Anarany sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony. Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy: dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony; naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy, fa ny ambany kosa nasandrany; ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanan-karena kosa, nampodîny mitondra tanam-polo. Niahy an’i Israely mpanompony Izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika."

Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria vao nody tany an-tranony.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...