♦ Hiakatra fampanoavana indray anio, ny Filoha Tale Jeneralin'ny La Gazette de la Grande Île, Lola Rasoamaharo. Nahoron'ny vadintany avokoa omaly ny entan'ity gazety ity, teny amin'ny foibeny teny Antanimena... ♦ Mbola misy tamin'ireo olana efa niainana tamin'ny taona 2013 no miverina sy nanaovan'ny teknisian'ny OIF fanamarihana. Natao omaly ny tatitra tamin'ny fitsirihana andiany voalohany nataon'ny OIF... ♦ Nankatoavin'ny Filankevitry ny Minisitra omaly, ny fanafoanana ireo fepetra nampiatoana ny fanondranana volamena...

Mila ampitaina sy hanabeazana ny olom-pirenena ny ara-moraly (éthique) sy ny fanajana ny fananana iombonana (biens communs) satria mariky ny fandrosoan'ny maha olona izany. Fitiavana sy hitsim-po no tokony ho entin'ny olom-pirenena mikolokolo ny fitiavan-tanindrazana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Zoma 31 marsa 2023 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 31-42)

♦ Misy vola mivezivezy hikasana hividianana vato amin'ny fifidianana, na "fond vautour", eto Madagasikara, hoy ny Praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo... ♦ Mpiasa hatrany amin'ny 300 isa no atahorahana ho very asa, noho ny fikasan'ny orinasa afaka haba iray, hampiasa milina hanoloana ny asan'izy ireo... ♦ Hisy tetikasa "Jeritany", iarahana amin'ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany na ny SIF. Tetikasa hamoriana ireo mpisehatra, hitadiavana vahaolana momba ny tany lova sy ny fanajariana ny tanim-panjakana...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...