Ny fahefana anaty dia ahitana ireto : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Ny sakana anaty dia hatarafana ireto : ny fialonana, ny fanaratsiana ary ny fiandaniana. Ny safidy dia anao : na ny fahefana anaty no iainana na ny sakana anaty. Fandaharana "mba ho vanonoa" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

♦ Tombanana 4,9% ny tahan'ny fiakaran'ny harin-karena faobe amin'ny herintaona. Ampelan-tanan'ny solombavambahoaka avokoa moa ankehitriny ny rijan-teny rehetra momba ny volavolan-dalàna mifehy ny fintantanam-bolam-panjakàna 2023... ♦ Natomboka tao Ankaramena any amin'ny Faritra Anosy ny fizaràna hanam-pamokarana ho an'ny tantsaha mpamokatra. Fepetra ampiharin'ny fitondram-panjakàna hanampiana ny tantsaha hamokatra sakafo misimisy kokoa... ♦ Tokony hatao mialohan'ny fifidianana ny dinika hisorohana ny tsy fitovain-kevitra amin'ny fanantanerahana ny fifidianana ho ny firaisamonim-pirenena. Izy ireo izay miatrika ny seminera havoria eny amin'ny lapan'ny tanàna Analakely...

17 nôvambra — Teraka ny taona 1207 tao Presbourg tao Hongrie i Élisabeth. Zaza fahatelo izy amin'ny zanak'i André II, mpanjaka tao Hongrie, taranaky ny mpanjaka Étienne. Vao efa-taona monja i Élisabeth dia nalefa tany Thuringe mba ho vadin'i Louis, comte tao amin'io tanana io.

Mba hizorana amin'ny lalam-baovao takian'ny Evanjely dia tsy maintsy miezaka isika, na ny  isam-batanolona na isam-pianakaviana mba hiaina ny  fahantrana hatoron'ny Vaovao Mahafaly. Io fahantrana io dia mifototra indrindra amin'ny hoe tsy miankina amin'ny zavatry ny tany, fa mametraka tanteraka ny fahatokisana an'Andriamanitra. Katesizy momba ny lalam-pahafahana, iarahana amin'i P. Randriamampandry Wagner.

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...