Tamin’izany andro izany,
nony voafantsika teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa,
dia nijanona nijery teo ny vahoaka,
ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe:
“Namonjy ny sasany Izy ka aoka hamonjy ny Tenany,
raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy”.
Ny miaramila koa naneso Azy,
ka nanatona nanolotra vinaingitra Azy,
ary nanao hoe:
“Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody,
vonjeo ny Tenanao”.
Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra
tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe:
“Ity no Mpanjakan’ny Jody”.
Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra
izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe:
“Raha Ianao no i Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay”.
Fa nanarin’ilay anankiray izy,
nataony hoe:
“Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra,
saingy hoe samy voaheloka ho faty izao?
Ny antsika dia rariny izao,
satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika;
fa ny Azy kosa
tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy”.
Dia hoy izy tamin’i Jesoa:
“Tompoko, tsarovy aho,
rehefa mby any amin’ny fanjakanao Ianao”.
Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Lazaiko marina aminao
fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao”.
Maro ny tranga mamoafady ataon'ny sokajin'olona rehetra. Fanabeazana tsara no vahaolana ahafahan'ny tsirairay mifehy ny fakam-panahy mivoana amin'ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny lafiny ara-pananahana. Fandaharana momba ny fahaiza-miaina sy mitia, tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco iarahana amin'ny centre Arrupe Madagasikara.
♦ Miisa 35 ireo olona hiatrika fitsarana adiheloka bevava anio, manoloana ny raharaha namonoana an'Itompokolahy Rakotoarisoa Henri, mpilatsaka antsitrapo sy mpanao fanairana momba ny tsindry mihatra amin'ny harena voajanahary any Ankazondandy... ♦ Nihaiky ny Pôlisim-pirenena fa ny nisy pôlisy voatonontonona ho isan'ny tompon'antoka tamin'ilay raharaha nahafatesana mpiraki-draharaha sy Inspecteur des impôts, teny Imerinkasinina... ♦ Manodidina ny 7 miliara Ariary ny fahavoazana vokatry ny kolikoly, hitan'ny Fitantanana Iraisam-paritry ny Bianco eto Antananarivo, tamin'ny taon-dasa...
18 nôvambra — Teraka ny taona 880 tao Maine i Odon. Andriana ny fianakaviany, ary nalefa tany Anjou sy Aquitaine izy mba hianatra momba ny tafiky ny mpitaingin-tsoavaly. Nanohy fianrana tany Paris izy, ka isan'ny nampianatra azy i Rémi, evekan'i Auxerre. Nandalina ny fitsipi-pitenenana sy ny fombam-pivavahana tao Tours ihany koa i Odon.
• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco