♦ Adiny roa sy sasany dia vita ny lalana mampitohy an'Ambilobe sy Vohémar, raha andro maromaro no nanaovana izany hatramin'izay. Nitokana izany androany, ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Nizara ny zava-bita ary nanolotra ny paikady sy ny sehatr'asa hatao amin'ny taona ho avy, ho an'ireo mpiara-miombona antoka eny ifotony, ny teo anivon'ny tetikasa Tontolo Voajanahary Lovain-jafy, any amin'ny ilany atsinanan'i Madagasikara... ♦ Niverina ireo mpilatsaka antsitrapo avy amin'ny Peace Corps, roa taona aty aorian'ny valanaretina Covid-19...

♦ Tanora dimy ambin'ny folo mirahalahy no nanonona ny voady voalohany ho an'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco, ny alakamisy 8 septambra 2022... ♦ Tontosa ny 8 septambra 2022 tolakandro ny Eokaristia Masina, fanaovam-beloma farany an'i Mgr Philippe Ranaivomanana, Evekan'Antsirabe...

Nofaranana androany 08 septambra 2022 ny tetik'asa fikarohana momba ny voly vary FYVARY. Tetik'asa ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana nanomboka ny taona 2017, izay famatsiam-bolan'ny governemanta malagasy miaraka amin'ny governemanta japoney ny FYVARY...

♦ Ahiana hihena hatrany amin'ny 20% ny famokarana sy famatsiana rano eto amintsika amin'ny fotoanan'ny main-tany ho avy io. Milaza ny efa miomana amin'ny hanalefahana izany ny JIRAMA sy ny Minisiteran'ny Rano... ♦ Misy handoavana hatramin'ny 50.000 Ariay amin'izao ny fampidirana mpianatra eny amin'ny sekolim-panjakana. Manavesatra ny vola aloan'ny ray aman-dreny ny fahataran'ny "Caisse école" sy ny  tambin-karaman'ny mpampianatra FRAM, hoy ny Talen'ny sekolim-panjakana iray... ♦ Anio no hiatrika ny lalao voalohany amin'ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany Rugby à 7 i Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...