Alatsinainy 4 aprily 2022 — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 12-20

Alahady 3 aprily 2022 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 1-11

Ny "Branchiolite" dia aretina mpahazo ny avokavoka ary nirongatra be tao anatin'ny volana iray izay. Ny "branchiolite" dia aretin'ny taovam-pisefona mpahazo ny olona maro indrindra ny zaza latsaky ny telo taona. Ny fomba fiombony : fanafihan'ny tsimok'aretina ny fantsona na ny lalan-drivotra madinika hatao hoe " Branchiole", ka mivonto na tsentsina. Fomba fisehony : sahirana be rehefa miaina, tsentsina ny orina, mikohaka maina...

♦ Hampiato tanteraka ny asa aman-draharahany manomboka amin'ny alatsinainy izao ny Sendikàn'ny Mpiasa Mpandraharaha "SPATUT" eny amin'ny Oniversite Antananarivo... ♦  Andrasana ireo fepetra ho raisin'ny fitondram-panjakàna manoloana ny tontolon'ny fizahan-tany any Nosy-Be... ♦ Miantso ny filohan'ny repoblika handray anjara amin'ny  fifidianana manaraka ny antoko Freedom...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...