I Masindahy Fabien sy i Masindahy Sébastien no tsaroana ny 20 janoary. I Masindahy Sébastien dia teraka tao Narbonne tamin'ny taonjato fahatelo ary anisan'ny niady mafy niaro ny Fiangonana Katôlika Romana. I Fabien kosa dia evekan'i Roma.
Ny vavaka dia tolona fa tsy haitraitra ary tena tolona ny fiainana maha kristianina, betsaka mantsy ireo faka-panahy mety hanelingelina, eritreritra samihafa. Ny vavaka dia ilana finoana sy fanantenana. Ny vavaka dia mitondra hafaliana sy fahatoniana. Misy ady tsy maintsy hatrehana manoloana ny vavaka, mila fiezahana hifantoka sy fanolorantena... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 13, 15-17. 20-21)
Ry kristianina havana,
aoka isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra
amin’ny alalan’i Jesoa mandrakariva;
izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy.
Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana,
fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahan’Andriamanitra.
Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny,
fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo,
mba ho an-kafaliana no hanaovany an’izany, fa tsy ho amin’alahelo,
fa tsy mahasoa anareo izany.
Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana,
izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesana an’ilay Mpiandry ondry lehibe
noho ny ran’ny fanekena mandrakizay, dia i Jesoa Tompontsika,
no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra,
mba hanatanterahanareo ny sitra-pony,
amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy:
ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6)
Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho;
izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy fanahy.
Tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza:
satria Ianao miaraka amiko:
ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy.
Rosoanao sakafo eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha mitavona ilo, ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo.
Ny tranon’ny Tompo no fonenana
taona maro mifandimby.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)
Tamin’izany andro izany,
niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly,
dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
Ary hoy Izy taminy:
“Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina,
ka mialà sasatra kely”:
fa maro ny olona mifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory.
Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo
ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.
Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany,
ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra,
sy tonga tany talohany.
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa
dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy,
satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo,
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 13, 1-8)
Ry kristianina havana,
mahareta amin’ny fitiavana.
Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny,
fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely,
nefa tsy nahahala azy.
Tsarovy izay mifatotra,
aoka ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo;
ary izay ampahoriana koa,
fa mbola ao anatin’ny nofo koa ianareo.
Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana,
ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady,
fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona.
Aza mba mitondra tena amim-pahidiana;
mionòna amin’izay anananareo, fa tenan’Andriamanitra no nilaza hoe:
“Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory;
ka sahintsika ny manao amim-pitokiana hoe:
Andriamanitra no vonjiko,
ka tsy hatahotra na inona na inona aho;
inona no azon’ny olona atao amiko?”
Tsarovy ny mpitondra anareo,
izay nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo;
diniho ny niafaran’ny fiainany;
ka alao tahaka ny finoany;
i Jesoa Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 26, 1. 3. 5. 8b-9abd)
Ny Tompo no fanilo sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?
Raha tafika no mitoby hiady amiko,
tsy miraika ny foko;
raha andiany no mirongatra hamely,
matoky hatrany aho.
Amin’ny andro fahoriana aho
afeniny amin’ny efitra fialofany;
takonany ao am-pierena ao an-dainy,
asandrany ambony vatolampy.
Eny, ry Tompo, tadiaviko ny tavanao!
Aza afenina ahy ny tavanao!
Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao!
Ry ilay Mpitahy ô, aza manary!
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)
Tamin’izany andro izany:
Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda ka hoy ny sasany hoe:
“I Joany Batista nitsangan-ko velona izay,
ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy”;
fa ny sasany kosa nanao hoe:
“I Elia izay”,
ary ny hafa indray dia hoe:
“Mpaminany izay, dia toy ny iray amin’ny mpaminany.”
Ary nony nandre izany i Herôda, dia nanao hoe:
“I Joany izay e, dia ilay efa notapahiko ny lohany,
fa efa nitsangan-ko velona izy.”
Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra
sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny
izay nalainy ho vady.
Satria i Joany nanao taminy hoe:
“Tsy mahazo manambady ny vadin-drahalahinao ianao.”
Koa tonga halan’i Herôdiada izy sy nirìny ho faty aza,
saingy, tsy azony natao izany noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany,
izay hitany fa lehilahy marina sy masina,
ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro,
sy nohenoiny tamin-kafaliana.
Ary tonga ny andro tsara,
dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda
ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tompon’arivo
ary ny loholona tany Galilea.
Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada
ka nahafaly an’i Herôda, sy izay niara-nihinana taminy;
dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy:
“Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao”,
sady nampiany tamim-pianianana hoe:
“Na inona na inona angatahinao amiko, dia homeko anao,
na dia ny antsasaky ny fanjakako aza.”
Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe:
“Inona no angatahiko?”
Ary hoy reniny:
“Ny lohan’i Joany Batista.”
Dia nidodododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy,
ka nangataka hoe:
“Tiako raha omenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao
ny lohan’i Joany Batista.”
Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany
sy noho ireo olona niara-nihinana taminy,
dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy,
fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray
nasainy hitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia.
Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina,
ka nitondra azy tamin’ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy
dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa.
Nony nandre izany ny mpianany,
dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco