• Voaantso hitondra ny soatoavin'ny Evanjely eo amin'ny fiaraha-monina ny olon-dehibe. Io no manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe, hotanterahana any Morondava amin'ity taona ity... • Aoka isika tsy hihanina amin'ny fomba fiheverana maha olombelona fotsiny, hoy ny Papa François, tamin'ny lahatsoratra nomaniny ho an'ny fandalinam-pinoana ny alarobia lasa teo... • Hotanterahana any Roma, ny 8 sy 9 marsa 2025, ny Jobilin'ny Mpirotsaka an-tsitrapo, ka olona eo amin'ny 25.000 isa eo no heverina ho tonga hanatrika izany...
Tanterahana any Mahajanga nanomboka ny 4 hatramin'ny 8 marsa izao ny fankalazana amin'ny fomba ôfisialy ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Vehivavy. Loha-hevitra ho voizina mandritra izany ny hoe "fitovian-jo sy fizakan-tena ho an'ny vehivavy sy ny tovovavy rehetra"...
• Tany amin'ny 620 km atsinanan'Antsiranana no nisy ny foiben'ilay andro ratsy miforona ao atsinanan'ny Faritra Diana, ny maraina teo. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan'Antsiranana sy Antalaha izy rahampitso maraina... • Afaka miverina ny fifamoivoizana an-dranomasina mampitohy an'i Madagasikara sy i Comores, araka ny tinapaky ny Filankevitry ny Minisitra, any Mahajanga... • Tena ilaina, hoy ny sendikà SIM, ny fampifanarahana ny rafi-pampianarana amin'ny filan'ny orinasa...
Mbola maro ny vehivavy miaina ao anatin'ny fiankinan-doha. Maniry mafy izy ireny, ary manao ny ezaka rehetra, ny mba hizaka tena, noho izany dia maro koa ireo manararaotra izay finiavan'ny vehivavy te hizaka tena izay. Endrika iray isehoan'izany fanararaotana izany ny famarinana olona.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco