Ny fampandrosoana dia mivelatra amin'ny sehatra maro, miainga amin'ny tsirairay, ny faritra, ny firenena. Ireo fototry ny fampandrosoana afahana mivoatra : ara-batana (hery sy fahasalamana), ara-tsaina, ara-po. Manana zo hiato kely hanao jeri-todika, handinika ny tokony hatao ho fampandrosoana ny tena sy ny ankohonana. Ny vehivavy dia afaka mitarika amin'ny fampandrosoana sy efa zatra mindrindra asa...  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Miditra amin'ny vanim-potoanan'ny karemy manomboka androany ary aharitra 40 andro ny mpino kristianina Katôlika...
  • Fiovan'ny vidin-tsolika isam-bolana : Nahitana fihenany 180 Ariary isaky ny litatra ny lasantsy raha niakatra 80 Ariary isaky ny litatra ny Gazoaly ary 200 Ariary ny solika fandrehitra...
  • Efa niharan'ny fanararaotana mamoafady amin'ny fampiasana teknôlôjia ny 40% amin'ny ankizy eo anelanelan'ny 15 hatramin'ny 19 taona eto Madagasikara...
  • Mitaky ny hamaritana tanteraka ny faritry ny sisin-tany manasaraka azy amin'i Gaza i Israël mialoha ny hanohizana ny fampiatoana ny ady saingy tsy manaiky ny hanaovana izany i Hamas...

05 marsa — I Jean-Joseph de la Croix dia teraka tao amin'ny nosy Ischia ny taona 1654. Vao 16 taona izy no niditra tao amin'ny Fikambanan'ny Frera Madinika. Nitety an'i Italie nandritra ny 30 taona, nanaparitaka ny fanovana nisy tamin'ny fiainan'ny fikambanan'ny pretra izay nentin'i Pierre d'Alcàntara tao Espagne.

Tsara tsipihina fa tsy miresaka momba ny pretra izay fantatsika kristianina ankehitriny loatra ny Testamenta Vaovao fa mbola ireo mpisorona araka ny fomba jody ihany no resahina ; i Jesoa Kristy dia sady anisan'ireo Mpisorona araka ny fomba jody no araka ny fomba kristianina. Tany am-piandohana dia mbola nandray anjara tamin'ny "culte" jody ny kristianina... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...