Ny fianakaviana kristianina no voalohany amin'ny toerana fanabeazana amin'ny fivavahana ; noho ny fianakaviana kristianina miorina amin'ny Sakramentan'ny Fanambadiana dia manjary "Fiangonana ao an-tokantrano" izy. Ao amin'ny fianakaviana ny zanak'Andriamanitra no mianatra mivavaka. Fofon'ain'ny finoana ny vavaka, ilaina araka izany ny mivavaka... Katesizy momba ny Eglizy, Reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
21 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 39-45)
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco