Tao anatin'ny 9 volana no nitondrana famelabelarana nahafahana niresaka ny " fanabeazana ao amin'ny ankohonana no antoky ny fivelaran'ny zanaka". Ny fihavanana dia isan'ireo Soatoavina Malagasy, fototra iray afahana mampianatra ny zanaka, mikasika ny fiaraha-monina. Ny fampandraisana andraikitra ny ankizy ao an-tokantrano sy any an-tsekoly dia mifameno, mahasoa ny fanabeazana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Rehefa tena mivavaka isika dia tsy lavitra antsika ny Olomasina.  Ny fampianaran'ny Konsily no milaza ao amin'ny Foto-pampianarany momba ny Fiangonana fahazavan'izao tontolo izao, laharana faha-50 manao hoe : satria manko eo am-pahitana ny fiainan'ireo nitozo nanaraka an'i Kristy isika, dia tojo antony manatombo hitadiavany an'ilay Tanàna ho avy... Katesizy momba ny miara-mivavaka amin'ireo Olomasina, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

11 desambra 2024 — Alarobia, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 28-30)

  • Mihamanatona ny morontsiraka avaratry ny nosy ilay rivodoza Chido, atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Tany amin'ny 3203 km, somary avaratra atsinananan'Antsiranana no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro. Hipaka amin'ny tapany avaratry ny nosy izy ny zoma izao...
  • Mahatsikaritra toe-javatra hafahafa momba ny lisitry ny mpifidy ampiasaina amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy mpanolotsaina rahampitso, ny antoko Tiako i Madagasikara sy Ramatoa Ravolomanana Lalatiana. Manainga ny vahoaka ho mailo izy ireo manoloana izany...
  • Nitombo iray indray ny fandaharan'asan'ny Governemanta Malagasy, amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, vatsian'ny FIDA vola...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...