• Andrasana hatramin'ny 2 desambra 2024 indray ny fahatongavan'ireo fitaovana sy kojakoja handrafetana ilay groupe voalaza fa hamokatra 105MW...
  • Mason-tsivana tsara hananan'izay ho mpanazatra vaovaon'ny Barea, ny fahaizana mandresy lahatra ireo mpilalao any ivelany, hoy ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy...
  • Nahazo traikefa ireo Malagasy mpandraharaha voasafidy hitsidika sy hiofana tany Frantsa nandritra ny 15 andro...

Fantaro sy tandrovy ny rano satria antoky ny fahasalamana. Noho ny zava-misy ankehitriny indrindra ny fahasarotan'ny fahazoana rano fisotro madio sy ny tsy fiavian'ny orana, dia tsara ny hifanentanana mba samy hitandrina amin'ny fitantanana ny rano ny tsirairay. Ny olona miahy ny rano dia mitsimbiny ny aina, ny rano no fototry ny aina, ohatra ny 80% ny tenan'ny zaza dia rano avokoa. Mila manao ezaka ny tsirairay mba hikajiana ny rano izany hoe mametraka ny paik'ady fitsitsiana. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.

  • Hifarana anio ety Ivato, rehefa naharitra telo andro, ny fiofanana natrehan'ireo Saleziana tanora miisa 17...
  • Ahiana hitarika fidangan'ny vidim-piainana ny fakana hetra 0,5% amin'ny fandefasam-bola amin'ny finday, hoy ny Profesora Ralison Roger...
  • Sehatr'asa fahatelo mampidi-bola ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny tontolon'ny fizahan-tany...

Tsy misy olona hanana herim-po hino fa tia azy Andriamanitra raha tsy mahalala an'i Jesoa ; ny fahalalana an'i Jesoa no hahafahantsika mahatakatra ny fitiavan'Andriamanitra. I Kristy nofantsihana  teo amin'ny hazofijaliana no herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra ; Ray mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra porofon'izany ny fitsimbinany antsika... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa, OSsT.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...