11 ôktôbra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 15-26)
♦ Nanetriketrika ny fitsenana ny Eveka vaovaon'ny Diôsezin'Ambatondrazaka omaly. Tomefy olona tany Vohidiala, toerana nandraisana azy voalohany... ♦ Napetraka ny “Centre de Commandement Opérationnel”, handrindra ny asa famatsiana rano ho an'Antananarivo. Hifarimbona ao anatin'izany ny Governemanta manontolo... ♦ Najoro ny sampana miaro ny mpanao gazety eto Madagasikara. Natao izany ho fiarovana azy ireo amin'ny teritery sy ny herisetra samihafa amin'ny fanatanterahana ny asany...
♦ Tsy mametraka olana amin'ny fanokafana n lisi-pifidianana amin'ny alalan'ny didy avy amin'ny Fitsaràna Ramatoa Raharivololoniaina Ninah, kandidà ho ben'ny tanàna mifaninana ao amin'ny kaominina Ivato ato amin'ny Distrika Ambohidratrimo... ♦ Hovitaina amin'ny volana jona amin'ny taona ho avy ny asa rehetra amin'ny tetik'asa Lac Iarivo. Tetik'asa fanomezana foto-drafitr'asa ho an'ny daholobe ho an'ny ao amin'ny Koaminina Antananarivo renivohitra. Voakasika ny lalana 8km mampitohy ny ety Ivato hatreo amin'ny sampanana Tsarasaotra... ♦ Miaina delestazy ny ao amin'ny Distrika Ikalamavony Faritra Matsiatra-Ambony. Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra hijery akaiky ny olan'izy ireo ny solombavambahoaka Pety Rakotoniaina...
Manoloana ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina dia tokony hamantatra tsara ny safidiny ny olom-pirenena rehetra, izay manan-jo hifidy. Ny fitiavan-tanindrazana dia safidy, porofon'izany ny safidin'ireo vahiny manana finiavana hampandroso ity firenena ity. Teny filamatra tsara tadidiana ny hoe : Fandrosoana - Filaminana - Fifanajàna. Tsy tokony hiandry fananan'andraikitra vao haneho fitiavan-tanindrazana, tsy tokony hifidianana sehatra ihany koa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco