9 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)
♦ Nitombo 7% ny isan'ny kandidà mirotsaka ho fidiana ho Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra 2024, raha mitaha amin'ny antontan'isa tamin'ny fifidianana eny anivon'ny kaominina, ny taona 2019... ♦ Tafiditra anatin'ny fampivoarana ny famokarana eny ambanivohitra ny tetikasa Ankohonana Miarina. Efa vonona ny anam-pamokarana sy ny fitaovam-pamokarana ho an'ireo misitraka ny tetikasa, hoy ny ao amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana... ♦ Velon-taraina ireo mpampiasa lalana ao Manakara noho ny fahatapahan'ny tetezana mpampitohy ny Fokontany Takidy sy Ampilao...
♦ Hivoaka anio ny lisitr'ireo kandidà ben'ny tanàna sy mpanolontsaina afaka hifaninana amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao. Ho hita amin'ny tranokalam-pifindraisan'ny CENI foibe izany... ♦ Nifarana ny fotoam-piasàn'ny PDS-n'Antananarivo, Harilala Ramanantsoa, noho izy nirotsaka ho fidiana ben'ny tanàna. Nanao tatitry ny asa vitany nandritra ny iray volana izy, omaly... ♦ Fianakaviana 7 no nisantatra ny famindran-toerana ireo tokan-trano marefo ara-pivelomana any Fieferamanga Arivonimamo. Famindran-toerana, tafiditra anatin'ny tetik'asa Ankohonana Miarina... ♦ Olona 70 farafahakeliny no maty tany afovoan'i Haïti, vokatry ny fanafihana nataon'andian'olona mirongo fiadiana...
♦ Mis tsindry atao amin'ireo solontenam-panjakàna amin'izao fifidianana izao. Manahy izy ireo fa hafindra toerana, raha tsy lany ny kandidàn'ny fitondràna, hoy ny KMF/Cnoe... ♦ Niravona ny disadisa anatiny teo anivon'ny Vovonana Firaisan-kina. Niezaka nifandamina izy ireo, nandritra ny fivorian'ireo mpitarika teny Faravohitra, omaly... ♦ Manao antso amin'ny fitondràna mba tsy hanaraka ireo fepetra napetraky ny mpamatsy vola, hampiakarana ny vidin-jiro sy ny vidin-tsolika ny SSM. Nanao fanambaràna momba izany izy ireo... ♦ Mbola mitohy foana ny fifanandrinana eo amin'ny Israelina sy ny Hezbollah libanais...
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco