27 mey 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahavalo Mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-27)

Tsy mitovy amin'ny fahazoan'ny olona ny atao hoe "Fahantrana" ny famaritan'ny Baiboly ny fahantrana. Amin'ny Soratra Masina, sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan'ny Lanitra ary izy handova ny tany ; ny fahantrana eto dia ny tsy fifikirana amin'ny haren'ny tany, fihendahana amin'ny aren'izao tontolo izao. Ny fahantrana dia mifamatotra amin'ny fanetrentena, fihavanana sy fiombonana. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", fandarahana atao eto amin'ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ireny kilalaon'ny nofo hahazoam-pahafinaretana ireny dia mihazona izay manao azy ho zaza saina lava satria araka ny efa voalazatsika ihany, ny atao hoe olon-dehibe ara-tsaina dia izay afaka mifandray aman'olona ka tsy mihevitra azy ho toy ny fitaovana hahazoana fahafaham-po fotsiny. Ho an'ny Kristiana dia mifanohitra amin'ny fitiavana ny fanaovana kilalaon'ny nofo. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Alahady fankalazana ny Trinite Masina : Antsoin'Andriamanitra hiray fianakaviana aminy isika ; Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy. Tian'ny Eglizy hamafisina amin'izao fankalazana izao ny Misterin'ny Trinite Masina. Hoy Md Anthanase : Raha Andriamanitra takitry ny sain'olombelona dia tsy Andriamanitra marina ; hoy Md Tertullien : ny Trinite dia avy amin'ny teny roa "Tri" sy "Unité" izany hoe telo fa iray. Mila mpampianatra katesizy ny Eglizy, mila vavolombelona hampivelatra ny finoana. Andrasana amintsika Kristiana ny hitovizantsika amin'ny Andriamanitra ray, Zanaka, Fanahy Masina : mifameno, mifankatia...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...