♦ Telo taona sy tapany an-tranomaizina. izay no sazy navokan'ny fitsaràna britanika ho an'ny tale kabinetran'ny filohan'ny repoblika teo aloha Ramatoa Romy Voos Andrianarisoa. Didim-pitsarana noho ny raharaha kolikoly nanenjehana azy... ♦ Manahy amin'ny ho avin'ny orinasa iasany manoloana ny fiovan-drafitra amin'ny fitantanana ao amin'ny OMNIS ireo mpiasa. Nisy omaly ny fivoriambe niarahan'ny mpiasa tamin'ny Ministra tompon'andraikitra... ♦ Tsy vahaolana hanarenana ny JIRAMA ny fampiharana ny vidin'ny tena izy amin'ny jiro sy rano hoy ny Fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Miantso an'i Israël hanajanona ny fanafihana ataony ao Rafah faritra atsimon'i Palestine ny firenena tandrefana...

Mety hiteraka fahafatesana eo am-piterahana ny fitondrana vohoka aloha loatra. Ny fitondrana vohoka aloha loatra dia antony hialan'ny tanora amin'ny fianarany satria miteraka henatra sy tsy fifantohana ny tranga. Ny fiainana ny fahadiovana dia sady voninahitra ho an'ny tena no voninahitry ny fianakaviana no sady fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra ihany koa satria tenimpolin'ny Fanahy Masina. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

11 mey 2024 — Sabotsy, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 23b-28)

♦ Velona ahiahy amin'ny ho aviny, manoloana ny fiovan-drafitra amin'ny fitantanana misy eo anivon'ny OMNIS, ireo mpiasa... ♦ Tanora avy amin'ny tontolo ambanivohitra miisa 142 no tafiditra miasa amin'ireo orinasa samihafa vokatry ny tetikasa Pro-Agri-Youth, izay tanterahan'ny OIT eto Madagasikara... ♦ Tsy vahaolana hanarenana ny orinasa Jirama ny fampiharana ny vidiny tena izy amin'ny jiro sy ny rano, hoy ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH...

[Miara-dàlana] Zoma 29 aogositra 2025

• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...