♦ Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy amin'ny solombavambahoaka IRD izay mitaky ny fandraisana andraikitra amin-dRamatoa Razanamahasoa Christine filohan'ny antenimieram-pirenena... ♦ Mbola maro ireo fepetra tsy voahaja hahafahana miroso amin'ny fifidianana tena lavitry ny herisetra raha ny zava-misy ankehitriny hoy ny tamba-jotra misoroka ny fifandirana amin'ny fifidianana na ny ROPE... ♦ Misedra olana goavana ny mpiasa malagasy hoy ny eo anivon'ny Valaben'ny Sendikan'ny mpiasa malagasy na ny SSM... ♦ Natokan'ny fitondrana rosiana ho andro fisaonana omaly alahady taorian'ilay asa fampihorohoroana nitranga tao Moscou...
♦ Nanaporofo ny fisarahan-dalana eo aminy sy ny fitondrana ankehitriny ny filohan'ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa. Milaza ho vonona sy hijoro ho vahaolana ny tenany saingy mbola tsy namaritra mazava ny dingana ho atao amin'izany... ♦ Miala sasatra noho ny fiatrehana ny herinandro Masina hidirana any amin'ny Paka ny sekoly katôlika eto Madagasikara raha toa ka manohy ny fianarana toy ny mahazatra ny sekolim-panjakàna... ♦ Iniana tsy resahana fa antony iray mampirongatra ny fanolanana ny fahantrana. Misy ireo ray aman-dreny manao sorona ny zanany raha ny fanadihadiana nataon'ny mpanao gazety Rina Raymond... ♦ Nahatsiaro am-bavaka ireo olona 137 maty tao Moscou ny Papa François...
Raran'ny fiangonana ny fanalan-jaza satria eloka mamoafady tokoa. Hoy ny Papa Joany faha-II : Fikorontanan-tsaina lehibe ny fanalan-jaza hiniana atao ho toy ny tanjona na toy ny fomba enti-manao satria mamono an-tsitra-po ny olona tsy manan-tsiny. Heloka bevava mitarika tsy fahazoana mandray Sakramenta ny fanalan-jaza na ny firaisana tsikombakomba amin'ny fanaovana izany. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
25 marsa 2024 — Alatsinainy Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 1-11)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco