Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz 35, 1-10)
Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina,
hiravoravo ny tany lemaka lava volo,
ary hamony tahaka ny narisisa;
hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana
ary hanao hoby firavoravoana izy.
Homena azy ny voninahitr’i Libàna
mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna.
Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo,
sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.
Hatanjaho ny tanana osa,
herezo ny lohalika mangozohozo!
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:
“Makà hery fa aza matahotra.
Inty ny Andriamanitrareo; tamy ny famaliana,
famalian’Andriamanitra,
Tenany no avy, dia hamonjy anareo.”
Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba,
halady ny sofin’ny marenina.
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,
hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Fa hisy rano miboiboika any an’efitra,
ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo.
Ny tany hay, hanjary ho farihy,
ary ny tany mangentana ho loharano.
Ny lavaka fonenan’ny amboadia
hanjary saham-bolotara aman-jozoro.
Hisy arabe, hisy lalana,
izay hatao hoe ny lalana masina;
ka ny tsy madio tsy mba hihazo eo;
fa ho azy ireo ihany izy io;
izay homba azy na ny olon-tsotra aza tsy hivilivily.
Ao tsy mba hisy liona,
tsy hisy biby masiaka mandia ao, tsy hisy ho hita ao.
Fa ny voavonjy no hizotra ao
ary ny navotan’ny Tompo no ho tonga ao indray;
ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana izy ireo;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy,
fa ny sento amam-pijaliana handositra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo
mirary fiadanana ho an’ireo tiany,
mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.
Akaiky izay mino Azy Tompo
ny vonjy honenan’ny lazany ety amintsika.
Koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany,
ny hitsiny hita mitsiry amin’ny tany.
Mitsinjo avy eny amin’ny rahon’ny lanitra kosa ny rariny.
Handrotsaka orana anie Izy Tompo,
izay hampamokatra tsara ny tany.
Fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.
Aleloia. Aleloia.
Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitra ô; ny tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay!
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka (Lk 5, 17-26)
Indray andro, raha nampianatra i Jesoa,
dia nipetraka nanodidina Azy teo koa
ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna sasany
avy tamin’ny tanàna rehetra tany Galilea sy Jodea
mbamin’i Jerosalema,
ary tao aminy hanasitranany ny marary
ny herin’ny Tompo.
Dia indro nisy olona
nitondra lehilahy malemy anankiray tamin’ny fandriany
ka nitady hampiditra sy hametraka azy teo anatrehany;
fa tsy nahita izay hampidirany azy izy ireo
noho ny habetsahan’ny olona,
ka niakatra teo ambonin’ny tafon-trano izy
ary nanesorana ny tafo
dia nampidininy teo afovoan’ny olona
teo anatrehan’i Jesoa ralehilahy mbamin’ny fandriany.
Nony nahita ny finoan’izy ireo i Jesoa, dia nanao hoe:
“Ralehilahy, voavela ny helokao.”
Tamin’izany ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina
dia nisaintsaina anakampo nanao hoe:
“Iza moa ity miteny ratsy toy izao ity?
Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery.”
Fa fantatr’i Jesoa ny heviny, ka hoy Izy taminy:
“Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
Inona no mora holazaina kokoa, ny hoe:
Voavela ny helokao;
sa ny hoe: Mitsangàna ka mandehana?
Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana
hamela heloka ety an-tany ny Zanak’Olona,
dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy:
Mitsangàna, ento ny fandrianao,
ary modia any an-tranonao.”
Niaraka tamin’izay
dia nitsangana teo imason’ny olona izy,
ary nitondra ny farafara nandriany
ka lasa nody any an-tranony
nankalaza an’Andriamanitra.
Nitolagaga avokoa izy rehetra
ka sady nankalaza an’Andriamanitra
no raiki-tahotra nanao hoe:
“Nahita zava-mahagaga isika androany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Efa hita taratra ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny sehatra maro. Isan-taona dia manao fihaonam-be ireo firenena rehetra ao anatin'ny Firenena Mikambana nanao sonia ny fifanarahana lasitra amin'ny fiovan'ny toetr'andro. Efa misy vokatra azon'i Madagasikara tamin'izany ka entanina hatrany ny tsirairay handray an-tanana ny fiarovana ny tranobe iombonana, araka izay manandrify azy avy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...
♦ Tsy antenaina ny hahatanterahan'ny fihaonana eo amin'ireo Solombavam-bahoka sy ny mpikamban'ny Governemanta anio, na dia mbola voatazona aza ny fandaharam-potoana ny amin'izany... ♦ Noravan'ny Filankevi-panjakana ny didy navoakan'ny Fitsarana miady amin'ny Fanjakana, izay nampiato ny fandroahana an' Baba Rakotoarisoa amin'ny asany... ♦ Niantso ny mpanjifa ho mailo amin'ireo entana lany daty, ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH, amin'izao vanim-potoana hidirana amin'ny fety izao...
Ny hafatry ny Eveka mikasika ny Eglizy sy ny raharaham-pirenena dia navoaka ny 25 desambra 1973 : tsy anjaran'ny Eveka sy ny Pretra... ny mibaiko ny kristiana amin'ny tsanga-kevitra pôlitika tokony harahiny na ny antoko pôlitika tokony hidirany na haoriny... Ny hany anjaran'ny Eveka sy ny Pretra dia ny manampy ny kristiana hitsara sy handanjalanja ireny raharaha ireny, mifototra amin'ny soa iombonana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco