♦ Tsy niova ny safidin'ny Filoha Andry Rajoelina fa mbola nametra-pitokisana hatrany amin'Andriamatoa Ntsay Christian eo amin'ny toeran'ny Praiministra, araka ny fanendrena natao omaly teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha... ♦ Tafakatra 10 ireo olona maty tamin'ny fandalovan'ny rivo-doza Alvaro ka tao amin'ny Distrikan'i Beroroha ny 4 tamin'ireo, raha 3 tao Manakara ary iray avy tao Vohipeno sy Manja ary Ikongo... ♦ Nidoboka am-ponja vonjimaika ireo atidoha tamin'ilay raharaha halatra tany ao Isahafa, Anosy-Avaratra... ♦ Tafakatra 242 ireo olona tsy hita popoka ary 92 ireo maty vokatra ilay horohoron-tany nitranga tany Japon araka ny tatitra farany nivoaka io maraina io...

Tsy tahaka ny firenen-kafa i Israely fa ny Tompo no Mpanjakany noho izany dia very hasina izy raha manaraka ny fomba amam-panaon'ny firenen-kafa satria mitsipaka ilay tena mpanjakany. Te hitovy amin'ny firenena hafa rehetra i Israely ka nangataka mpanjaka hafa, tsy nahay nihonona tamin'ny anjara nomen'Andriamanitra izy ireo ka tojo olana hatrany. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina. 

5 janoary 2024 — Zoma, Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany, fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 43-51)

♦ Anio amin'ny 8 ora alina no hampahafantarina eny Iavoloha izay ho Praiministra, hitantana indray ny Governemanta. Anarana vitsivitsy androany no efa natolotr'ireo solombavambahoaka IRD hisafidianan'ny filoha... ♦ Tompon'andraikitra ambony maromaro any amin'ny Faritr'i Boeny no nentina aty Antananarivo, hatao fanadihadiana eo anivon'ny PAC. Anisan'ireo voarohirohy tamin'ilay raharaha vary simba tany Mahajanga ihany koa izy ireo... ♦ Tafakatra 9 ny isan'ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny fandalovan'ny rivo-doza Alvaro, raha ny tarehimarika vonjimaika avy amin'ny BNGRC. Tany Beroroha sy Manakara ny ankamaroan'izy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...