♦ Mahita ny madilana mila hotentenana amin'ny andininy faha-54 ao amin'ny Lalam-panorenena momba ny fanoloran'ny antoko na vondrona pôlitika maro an'isa ny anaran'ny Praiministra ho tendren'ny Filohan'ny Repoblika hoy ny filohan'ny KMF/Cnoe. Manaraka ny Lalam-panorenana tsara ny fanendrena, hoy indray ny solombavambahoaka IRD miaradia amin'ny fitondrana... ♦ Nahiditra am-ponja vonjy maika noho ilay raharaha vary simba 50 kaontenera tao amin'ny seranan-tsambon'i Mahajanga nafindra tany amin'ny orinasa iray ao an-toerana ny Prefet an'i Mahajanga... ♦ Tantsaha maherin'ny 44.700 avy amin'ny Faritra 16 eto amin'ny nosy no nisitraka hanam-pamokarana tamin'ny alalan'ny tetik'asa PURPA...

Efa mahazo laka ary mampidi-bola ny tantsaha eto Madagasikara ny fizahan-tany eny ambanivohitra. Mampidi-bola ho an'ny tantsaha ny fizahan-tany ambanivohitra raha haintsika ny mitrandraka izany. Mampiditra 50 Dôlara hatramin'ny 200 Dôlara ho an'ny fianakaviana tantsaha iray iantranoany ny mpizahan-tany iray. 20 taona niantsehatra amin'izay fizahan-tany ambanivohitra izay ny Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy na ny FEKRITAMA...

♦ Maro ireo fanehoan-kevitra mifandraika amin'ny famerenana an'Andriamatoa Ntsay Christian ho Praiministra sy ny fandrafetana ny governemanta... ♦ Tsy manome alalana hisakana ireo mpikamban'ny UCTU maniry ny hiresaka saran-dalana ny birao, mandritra ny fivoriana izay hotanterahana amin'ny talata ho avy izao hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Fiarabe miisa 10 miaraka amin'ny pelle mécanique no nosamborin'ny polisy eo anivon'ny APIPA noho ny fanotorana tany tsy ara-dalana... ♦ Manampy amin'ny fanazavana ireo fifandisoan-kevitra na misakana izany, hoy ny Papa ny fanomezana vaovao marina...

Vaovao ny taona, vaovao manaraka izany ihany koa ny loha-hevitra hodinihina sy hovelabelarina mandritra ity taona 2024 ity. Fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay anaty fiaraha-monina, izay no loha-hevitra lehibe hitondrana ny fandaharana EVA mandritra ny taona. Nampatsiahivina ny antom-pisian'ny fandaharana EVA sy ny tanjony ary fampahafantarana ireo mpandray anjara hifandimby hanentana ny fandaharana mandritra ny taona. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...