Manao ny tomban'ezaky ny Fandaharana EVA niandraiketany ny solontenan'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Pastooralin'ny Fahasalamana. Tsiahivina ny loha-hevitra nifampizarana nandritra ny taona ary angatahina amin'ny mpihaino ny heviny sy ny soso-kevitra hanatsarana sy hifampizarana amin'ny taona ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...
♦ Mbola tena ambany ny taham-pandraisana anjaran'ny vehivavy eo amin'ny fanaovana pôlitika eto Madagasikara. Latsaky ny 11% izany, raha ny tatitry ny CNFM... ♦ Manomboka ho velom-bolo ireo mponina any amin'ny Distrikan'Ankazobe ankehitriny, manoloana ny fampandrian-tany ataon'ny mpitandro ny filaminana any an-toerana, hiadiana amin'ny fakana an-keriny... ♦ Dingana iray ahafahana mampiroborobo ny indostria ny fametrahana ny foibem-pitantanana CGASIM...
Vokatry ny asa eo amin'ny fiaraha-monina sy ny ara-piarihana : tsy mitoetra ho an'ny olona izay miasa irery ihany ny vokatry ny asany fa misy vokany eo amin'ny fiaraha-monina mihitsy. Na dia ny hiveloman'ny mpiasa aza no antony tany am-piandohana dia tombontsoa ho an'ny rehetra iny avy eo. Mba tsy hiankinan-doha na hanararaotra ny hafa dia mila miasa ary miala amin'ny toe-tsaina "omeo omeo lava" ny olona. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
22 desambra 2023 — Zoma, herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 46-56)
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco