♦ Nanainga ireo pretra eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Arseveka, Mgr Jean de Dieu Raoelison, mba hikolo ny asa pastôraly sy hanatanteraka izany an-kafaliana... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory ho an'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, ny Sampan-draharaha momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly eo anivon'ny Fiketrahana Masina, noho ny fahalasanan'i Mgr Antoine Slavatore Scopelliti... ♦ Nanatanteraka famangiana any amin'ny Arsidiôsezy Atsimo Atsinanana, ny mpandrindra fikambanana vondron'ny Tokantrano Kristianina nasiônaly...
Mamaha olana amin'ny fahasahiranana ara-bolan'ny mponina eny ambanivohitra, ny fanaovan'izy ireo ombona tahiry ifampisamborana na ny GVEC. Nanana traikefa efa ho valo taona tamin'izany ny fikambanana “Fanantenana”, ao amin'ny Fokontany Antandrokomby, Kaominia Mahitsy, ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo.
♦ Hijoro hanohana ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena, ireo antoko sy vondron'antoko izay nanao fanambarana teny Ilafy, ny maraina teo... ♦ Ain-dehiben'ny firenena ny Fadintseranana, ka tsy mety raha atao takalon'aina amin'ny tsy fitovian-kevitra ara-pôlitika, hoy ny Tale Jeneralin'ny Fadintseranana... ♦ Manamarika amin'ny fomba ôfisialy ny Androm-pirenena ho an'ny Varika ao amin'ny faritra arovana Maromizaha, i Madagasaikara anio...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 11, 1-2a. 11-12. 25-29)
Ry kristianina havana,
moa dia narian’Andriamanitra va ny olony?
Sanatria izany!
Fa izaho koa dia Israelita, taranak’i Abrahama, sy fokon’i Benjamina,
ka tsy narian’Andriamanitra ny olony,
izay efa fantany rahateo.
Koa hoy izaho:
Moa dia tafintohina,
ka lavo tsy ho tafarina intsony va izy ireo?
Sanatria izany!
Fa ny fahalavoany no nahatonga famonjena ho an’ny jentily,
mba hahavelom-pialonana an’i Israely.
Koa raha ny fahalavoany no tonga herin’izao tontolo izao,
ary ny nihenàny no zary haren’ny jentily,
hanao ahoana re ny hafenoany?
Fa mba tsy hanaovanareo ny tenanareo ho hendry,
dia tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry havana,
izao zava-miafina izao:
nilatsaka amin’ny hajambana ny sasany amin’i Israely,
mandra-piditry ny hafenoan’ny jentily.
Ary amin’izany dia ho voavonjy avokoa i Israely rehetra,
araka ny voasoratra hoe:
Hivoaka avy ao Siôna ny Mpanafaka,
ka hanesotra ny tsy fahamarinana rehetra amin’i Jakôba,
dia ho tanteraka amin’izany ny fanekena nataoko tamin’izy ireo,
rahefa voaesotra ny fahotany.
Raha amin’ny Evanjely,
dia mbola fahavalo izy noho ianareo;
fa raha amin’ny fifidianana kosa,
dia malala izy noho ny razany;
satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa
sy ny fiantsoan’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 93, 12-13a. 14-15. 17-18
Sambatra ny olona izay anarinao, ry Tompo,
sy ampianarinao ny Lalànao,
mba tsy hanahiany
amin’ny andro fahoriana.
Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany,
na handao ny lovany,
ka ny olo-marina hahazo ny rariny,
ny mahitsy fo no handresy lahatra.
Raha tsy ny Tompo no namonjy ahy,
poatoizay ilay toera-mangina no ho fonenako!
Vao Lasa ny teniko hoe: Mibolisatra ny tongotro!
ny hatsaram-ponao, ry Tompo, no avy hananty!
Aleloia. Aleloia.
Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 1. 7-11)
Indray sabata,
raha niditra hisakafo tao an-tranon’ny loholon’ny Farisianina anankiray i Jesoa
dia nitsikilo Azy izy ireo.
Ary nony hitan’i Jesoa ny hamaizan’ny olona nasaina
naka ny fitoerana voalohany,
dia nanao itý fanoharana itý tamin’izy ireo Izy nanao hoe:
“Raha asaina amin’ny fampakaram-bady ianao,
aza mipetraka amin’ny fitoerana voalohany,
fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho ianao,
ka ho avy izay nanasa anao sy izy,
hilaza aminao hoe:‘Omeo an’itý ny fitoeranao’,
ary amin’izay,
dia ho menatra ianao hifindra arý amin’ny fitoerana farany.
Fa raha asaina ianao,
dia any amin’ny fitoerana farany mipetraka,
ka raha tonga izay nanasa anao,
dia hilaza aminao hoe:‘Mandrosoa, ry sakaiza etsy alohaloha kokoa’;
amin’izay dia hahazo voninahitra eo imason’izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao.
Fa izay rehetra manandra-tena no haetry,
ary izay manetry tena no hasandratra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco