♦ Notambazana vola hiroso amin'ny fampielezan-kevitra ny kandidà Ratsiraka Roland, saingy tsy nanaiky izany... ♦ Nanohy ny fampielezan-keviny tao amin'ny Faritra Itasy androany, ny kandidà laharana faha-3... ♦ Manao ady sisika hisian'ny fifampiresahan'ny ankolafin-kery pôlitika mifanandrina amin'izao, ny firaisamonim-pirenena miara-dia amin'ny hetsika Rohy. Nanao hetsika fanairana izy ireo, nanomboka androany...
♦ Hanao hetsika fanairana iarahana ny Fiaraha-monim-pirenena manerana ny nosy, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Hetsika hanosehan'izy ireo ny tompon'andraikitra politika hifampiresaka, hitady vahaolana haingana hisian'ny fifidianana tsy mitanila sy eken'ny rehetra... ♦ Lalana manosika ny fianakaviam-be iraisam-pirenena hankatoa ny fifidianana amin'ny endriny amin'izao ny fialàn'ny kandidà iray amin'ireo 11 nandrafitra ny "Collectif des candidats" hoy ny antoko Fiombonana... ♦ Somary hihena nho ny tamin'ny taon-dasa ny rotsak'orana manerana an'i Madagasikara mandritra ny fotoam-pahavaratra 2023-2024 ity. Hiakatra kokoa ny maripàna ary hafàna noho ny tokony ho izy aza, ho an'ny faritra maro amin'ny tapany atsimo...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 26-30)
Ry kristianina havana,
ny Fanahy no manohana ny fahalementsika,
satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika,
fa ny tenan’izy Fanahy ihany no mangataka
amin’ny fitarainana tsy azo lazaina;
ary Izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin’ny Fanahy,
sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olo-masina.
Fantatsika koa
fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy,
dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Satria izay fantany rahateo no notendreny
hitovy endrika amin’ny Zanany koa,
mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Ary izay notendreny no nantsoiny koa;
izay nantsoiny no nohamarininy koa;
izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 12, 4-5. 6
Jereo! Valio aho, ry Tompo Andriamanitro!
Hazavao maso, ndrao renoky ny fahafatesana;
ndrao ataom-pahavalo hoe: Resy terý!
na hifalian-drafilahy fa mihontsina!
Matoky ny hatsaram-ponao aho;
mifaly amin’ny famonjenao ny foko.
Eny, mihira aho, ry Tompo,
noho ny soa nataonao.
Aleloia. Aleloia.
Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 22-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety tanàna sy vohitra maro
ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema.
Ary nisy olona anankiray nanontany Azy hoe:
“Tompoko,
moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?”
Ka hoy Izy tamin’ny olona:
“Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety;
fa lazaiko aminareo
fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka.
Satria raha efa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano
no tavela any alatrano ianareo
ka handondòna ny varavarana hanao hoe:‘Tompoko, vohay izahay’,
dia hovaliany hoe:
‘Tsy fantatro izay niavianareo.’
Ary amin’izay ianareo dia hanao hoe:
‘Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay,
ary nampianatra teny amin’ny kianjanay Ianao.’Fa hovaliany hoe:
‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay niavianareo;
mialà amiko ianareo rehetra mpanao ratsy.’Ary amin’izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify
rahefa hitanareo eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra
i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra,
fa ianareo kosa ho voaroaka any ivelany.
Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana,
ary avy any Avaratra sy Atsimo,
hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Ary indro hisy farany izay ho voalohany,
ary hisy voalohany ho farany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny "SLAM" dia avy amin'ny teny angilsy hoe " to slam (the door)", izay midika hoe "manakarapoka, manakatona mafy (ny varavarana)". Iray amin'ny karazana zava-kanto vita amin'ny teny ny Slam ; karazana tononkalo, am-bava kokoa anefa satria tononina. Mifanakaikikaiky amin'ny poezia miandany (poésie engagée) ny slam. Tany antenan'ny taompolo 80 no teraka tao Chicago (Etazonia) ny "slam" izay antsoina ihany koa slam poésie, avy amin'ny fifaninanana antsan-tononkalo izay tetik'asa noforonin'ilay Amerikana antsoina hoe Marc Smith. Ny taona 2002 no nidirany taty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, niainga tao La Réunion, Maurice ary tonga teto Madagasikara...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco