♦ Nosamborina teny Analakely ary navotsotra omaly tamin'ny 8 ora alina ihany ny kandidà ho filoham-pirenena Jean Jacques Ratsietison, anatin'ny vondron'ny kandidà. Tsy fantatra mazava ny antony nisamborana azy... ♦ Nidoboka eny am-ponja vonjimaika ny 5 tamin'ireo olona miisa 11 nosamborina, noho ny fihetsiketsehana ny sabotsy, nandritra ny hetsika fotsy notarihin'ny vondron'ireo kandidà. Ny 9 novambra izao ny fotoam-pitsaràna azy ireo... ♦ Nofoanana vonjimaika ny sidina iraisam-pirenena sahanin'i Madagascar Arlines, noho ny fantiantoka ara-bola. Nanazava ny momba izany omaly ny tale jeneralin'ity kaompania an'habakabaka nasiônaly ity...

Ao amin'ny Eglizy, manana toerana lehibe ny fianakaviana araka ny fomba fiteny efa mahazatra antsika hoe ny fianakaviana dia Eglizy kely ao an-tokantrano. Sarobidy eo imason' Andriamanitra ny fianakaviana satria teo amin'ny tantaram-pamonjena, fianakaviana tao Nazareta no nidiran'ilay Olona faharoa amin'ny Trinite Masina ka nanatanterahiny ny Mistery Fahatongavana ho Nofo. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

7 nôvambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 14, 15-24)

♦ Voasambotry ny ny mpitandro ny filaminana teny Analakely androany, ny kandidà ho Filoham-pirenena Ratsietison Jean Jacques... ♦ Misy mitady hifofo ny ain'ireo kandidà ho Filoham-pirenenana sasantsasany mivondrona, ka omena mpiambina manokana avokoa, ireo kandidà 13, hoy ny EMMO-NAT androany... ♦ Nofoanana vonjy maika ireo sidin'ny Madagascar Airlines, eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, noho ny faty antoka ara-bola...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...